-
LavenonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Lao 70 taona i Joda, ka ory noho ny amin’i Ziona na Jerosalema sy ny tempoliny ny Jiosy tany Babylona. Nanome toky anefa i Isaia fa noho ny herin’ny fanahin’i Jehovah, dia ‘homena fehiloha ho solon’ny lavenona ireo ory noho ny amin’i Ziona.’ (Is 61:1-3) Nilaza i Jesosy Kristy fa tanteraka taminy koa ireo andininy ireo. Izy mantsy no Mesia Mpanafaka, izay hitondra fanamaivanana ho an’ireo babo sy ory ara-panahy. (Lk 4:16-21) Ho toy ny vovoka na lavenona eo ambany tongotry ny olo-marina ny ratsy fanahy, satria hoy ny Malakia 4:3: “‘Hanitsakitsaka ny ratsy fanahy ianareo, satria ho toy ny vovoka [ʼefer] eo ambany faladianareo ireny, amin’ny andro hanatanterahako izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”
-
-
Satroka, FehilohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanao akanjo sy satroka ireo Hebreo telo lahy naman’i Daniela, rehefa natsipy tao anaty lafaoron’i Nebokadnezara. Mety ho famantarana ny toerana ambony notanan’izy ireo ny satrony, izay niendrika satro-bory, hono.—Da 3:21.
-