FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jesosy Kristy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Rehefa nisy niampanga an’i Jesosy ho ‘nanao ny tenany ho andriamanitra’, dia hoy izy: “Tsy voasoratra ao amin’ny Lalànareo ve hoe: ‘Hoy aho: “andriamanitra ianareo”’? Koa raha antsoiny hoe ‘andriamanitra’ ireo nomelohin’ny tenin’Andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, nahoana aho, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, no lazainareo hoe manevateva an’Andriamanitra satria aho nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra aho?” (Jn 10:31-37) Naka teny avy ao amin’ny Salamo 82 i Jesosy teo. Antsoina hoe “andriamanitra” mantsy ao ireo olombelona mpitsara nanao ny tsy rariny izay nomelohin’Andriamanitra. (Sl 82:1, 2, 6, 7) I Jesosy anefa tsy nilaza ny tenany ho Andriamanitra fa Zanak’Andriamanitra. Noporofoiny àry fa tsy nitombina mihitsy ny niampangana azy ho nanevateva an’Andriamanitra.

  • Jesosy Kristy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Mpampianatra mahay. Tena nandaitra ny fomba fampianatr’i Jesosy. (Jn 7:45, 46) Hevitra lalina sy mafonja no noresahiny, nefa nataony fohy sy tsotra ary mazava. Nampiasa fanoharana fantatry ny mpihaino azy tsara izy (Mt 13:34, 35), na mpanarato izy ireo (Mt 13:47, 48), na mpiandry ondry (Jn 10:1-17), na mpamboly (Mt 13:3-9), na mpanao trano (Mt 7:24-27; Lk 14:28-30), na mpivarotra (Mt 13:45, 46), na tompo sy mpanompo (Lk 16:1-9), na vehivavy mpikarakara tokantrano (Mt 13:33; Lk 15:8), na hafa (Mt 6:26-30). Zavatra tsotra toy ny mofo, rano, sira, siny hoditra, akanjo tonta no noresahiny mba hampitana hevi-dehibe, toy ny fahita ao amin’ny Soratra Hebreo. (Jn 6:31-35, 51; 4:13, 14; Mt 5:13; Lk 5:36-39) Nampiasa hevitra mirindra sy fampitahana mety tsara koa izy matetika, ka afaka namaly ny fanoheran’ireo olona diso hevitra sady nanitsy ny fomba fisainany. (Mt 16:1-3; Lk 11:11-22; 14:1-6) Nataony izay hanohinana ny fon’ny olona. Nampiasa fanontaniana àry izy mba hahatonga azy ireo hieritreritra, hanatsoaka hevitra, handinika ny antony anaovany zavatra, ary hanapa-kevitra. (Mt 16:5-16; 17:24-27; 26:52-54; Mr 3:1-5; Lk 10:25-37; Jn 18:11) Tsy ny hitaona olona maro be anefa no tanjony, fa ny hanohina ny fon’ireo mangetaheta ny fahamarinana kosa.​—Mt 5:3, 6; 13:10-15.

  • Fiainana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy àry no hahazoana fiainana lavorary indray. Izy mantsy ilay “Adama farany” izay “fanahy mahavelona.” (1Ko 15:45) “Nanolotra ny ainy ho amin’ny fahafatesana” mba hatao “fanatitra noho ny heloka” izy. “Ray Mandrakizay” koa izy (Is 9:6), ka afaka manome fiainana ho an’ireo mino ny vidim-panavotana sy mankatò azy.​—Is 53:10-12.

  • Fiadanana, Fihavanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fanjakana hitondra fiadanana. Antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana” ny Zanak’Andriamanitra, satria “ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana.” (Is 9:6, 7) Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany tokoa, dia nasehony tamin’ny mpanompony fa tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana izy ireo. Hoy izy tamin’i Petera: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Mt 26:52) Lazaina an’ohatra hoe ‘nanefy ny sabany ho angadinomby’ ny Kristianina, sady nanefy “ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.” Tsy nianatra ady intsony izy ireo. (Is 2:4) Hita avy amin’izany sy izay nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa (indrindra fa izay nataony ho an’ny Israely nandritra ny fanjakan’i Solomona) fa hanjaka ny fiadanana mandritra ny fanjakan’i Jesosy. Hoy ny Baiboly momba ny fanjakan’i Solomona: “Nandry feizay ny faritra rehetra nanjakany, na taiza na taiza. Dia nonina tsy amin’ahiahy ny Joda sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” (1Mp 4:24, 25; 1Ta 22:9) Asehon’ny andininy hafa koa (ampit. Sl 72:7, 8; Mi 4:4; Za 9:9, 10; Mt 21:4, 5) fa izany no hitranga mandritra ny fanjakan’i Kristy Jesosy, ilay lehibe noho i Solomona. Avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana” ny anaran’i Solomona.​—Mt 12:42.

  • Vidim-panavotana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • “Vidim-panavotana mifandanja” tokoa àry i Jesosy mba hanavotana ny taranak’i Adama rehetra, fa tsy hanavotana mpanota iray, dia i Adama. Novidin’i Jesosy izy ireo ka afaka ny ho anisan’ny fianakaviany, rehefa niseho teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny rariny any an-danitra izy taorian’ny nanaovany sorona ny ainy. (He 9:24) Nahazo Vady àry izy, dia ny fiangonan’ny Kristianina ho any an-danitra. (Ampit. Ef 5:23-27; Ap 1:5, 6; 5:9, 10; 14:3, 4.) Voalazan’ny faminaniana fa hanana ‘taranaka’ koa izy satria “Ray Mandrakizay.” (Is 53:10-12; 9:6, 7) Tsy ireo anisan’ny ‘Vadiny’ izay ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra’ ho any an-danitra ihany àry no handray soa amin’ilay vidim-panavotana naloany. Hisy olon-kafa koa handray soa ka hiaina mandrakizay, rehefa esorina ny fahotan’izy ireo sy ny tsy fahalavorariany. (Ap 14:4; 1Jn 2:1, 2) Ho mpisorona sy “mpanjaka hitondra ny tany” hiaraka amin’i Kristy ireo ho any an-danitra. Ho olom-pehezin’ny Fanjakan’i Kristy kosa ireo olon-kafa handray soa amin’ilay vidim-panavotana, ary ho zanak’ilay “Ray mandrakizay” ka hiaina mandrakizay eto an-tany. (Ap 5:10; 20:6; 21:2-4, 9, 10; 22:17; ampit. Sl 103:2-5.) Tena miharihary àry fa hendry sy marina ary manao ny rariny i Jehovah, nefa koa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy mamela heloka.​—Ro 3:21-26.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara