FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lozan’ireo Mpikomy!
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 1. Fahadisoana lehibe inona no nataon’i Jeroboama?

      FONY nizara ho fanjakana roa ilay vahoaka nanaovan’i Jehovah fanekena, dia nanjary teo ambanin’ny fanapahan’i Jeroboama ilay fanjakan’ny foko folo tany avaratra. Mpanapaka nahay sady navitrika be ilay mpanjaka vaovao. Tsy nanana tena finoana an’i Jehovah anefa izy. Noho izany, dia nanao fahadisoana lehibe iray, izay nisy vokany ratsy teo amin’ny tantaran’ilay fanjakana tany avaratra manontolo, izy. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, ny Isiraelita dia nodidiana mba hiakatra intelo isan-taona tany amin’ny tempoly tany Jerosalema, izay tany amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo tamin’izay. (Deoteronomia 16:16). Natahotra i Jeroboama sao hahatonga ny olom-peheziny hieritreritra ny ho tafaray indray tamin’ireo rahalahiny tany atsimo ireny dia natao tsy tapaka ireny, ka “nanao ombilahy kely volamena roa [izy]; ary hoy izy tamin’ny olona: Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô, indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta. Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana”.​—1 Mpanjaka 12:28, 29.

      2, 3. Inona avy no vokatry ny fahadisoan’i Jeroboama teo amin’ny Isiraely?

      2 Nandritra ny fotoana kelikely, dia toa nahomby ny tetik’i Jeroboama. Nitsahatra tsikelikely tsy nankany Jerosalema ilay vahoaka, ka nanomboka nivavaka teo anoloan’ireo ombilahy kely roa. (1 Mpanjaka 12:30). Kanefa dia nanimba ilay fanjakan’ny foko folo io fanao nampiseho fivadiham-pinoana io. Tamin’ireo taona tatỳ aoriana, na dia i Jeho aza, izay nampiseho zotom-po mendri-piderana tamin’ny fanesorana teo amin’ny Isiraely ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala, dia mbola nanohy niankohoka teo anoloan’ireo ombilahy kely volamena ireo ihany. (2 Mpanjaka 10:28, 29). Inona koa no vokatry ny fanapahan-kevitra nampahonena noraisin’i Jeroboama? Fikorontanana ara-politika sy fijaliana ho an’ny vahoaka.

      3 Noho i Jeroboama nivadi-pinoana, dia nilaza i Jehovah fa tsy hanjaka eo amin’ilay tany ny taranany, ary amin’ny farany dia hiharan’ny loza mahatsiravina ilay fanjakana tany avaratra. (1 Mpanjaka 14:14, 15). Marina ny tenin’i Jehovah. Ny fito tamin’ireo mpanjakan’ny Isiraely dia tsy nanjaka afa-tsy nandritra ny roa taona na latsaka​—ny sasany aza nandritra ny andro vitsivitsy monja. Ny mpanjaka iray namono tena, ary ny enina hafa novonoin’ny lehilahy fatra-paniry laza, izay nandrombaka ny seza fiandrianana. Taorian’ny fanjakan’i Jeroboama II, izay nifarana tokony ho tamin’ny 804 al.f.i., fony i Ozia nanjaka tao Joda, tamin’izay indrindra ny Isiraely no nianjadian’ny korontana sy ny herisetra ary ny vonoan’olona. Tao anatin’izany toe-javatra izany i Jehovah no nandefa fampitandremana, na “teny”, nivantana, tamin’ny alalan’i Isaia, ho an’ilay fanjakana tany avaratra. “Ny Tompo mandefa teny ho an’i Jakoba, ka mihatra amin’ny Isiraely izany.”​—Isaia 9:7.a

  • Lozan’ireo Mpikomy!
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • a Ny Isaia 9:7–10:4 dia voaforona andininy efatra (fizarazarana ao anatin’ny andalan-teny iray misy ngadona), izay samy miafara amin’izao fiverenan-teny milaza loza izao: “Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.” (Isaia 9:11, 16, 20; 10:4). Io fomba fandaharan-teny an-tsoratra io dia mampitambatra ny Isaia 9:7–10:4 ho “teny” iray ihany. (Isaia 9:7). Mariho koa fa ‘mbola mihinjitra ihany ny tanan’i’ Jehovah, tsy mba hanolorana fampihavanana indray akory, fa mba hitsarana.​—Isaia 9:11.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara