-
Lozan’ireo Mpikomy!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Miteraka herisetra ny fivavahan-diso
14, 15. a) Miteraka inona ny fivavahana amin’ny demonia? b) Naminany i Isaia fa hianjadian’ny fijaliana mitohy inona ny Isiraely?
14 Ny fivavahan-diso, raha ny tena izy, dia fivavahana amin’ireo demonia. (1 Korintiana 10:20). Araka ny hita niharihary talohan’ny Safo-drano, dia nitarika ho amin’ny herisetra ny fitaoman’ireo demonia. (Genesisy 6:11, 12). Tsy mahagaga àry raha nameno ny tany ny herisetra sy ny faharatsiana, rehefa nivadi-pinoana ny Isiraely, sy nanomboka nivavaka tamin’ireo demonia.—Deoteronomia 32:17; Salamo 106:35-38.
15 Nampiasa sarin-teny mazava toy ny hitan’ny maso i Isaia, mba hilazalazana ny fihanaky ny faharatsiana sy ny herisetra teo amin’ny Isiraely: “Ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana. Noho ny fahatezeran’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia efa maintin’ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ny afo; tsy misy olona miantra ny rahalahiny. Ary mandripaka eny an-kavanana izy, nefa noana ihany; ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra: eny, Manase mihinana an’i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’i Manase, ary izy roa tonta dia miara-mamely an’i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.”—Isaia 9:17-20.
16. Ahoana no nahatanterahan’ny teny ao amin’ny Isaia 9:17-20?
16 Toy ny lelafo izay mahazo tsikelikely ny kirihitr’ala tsirairay, dia tsy tana ny herisetra ka niely haingana tany amin’ireo “ala mikirindro”, ka nanjary toy ny doro ala nidedadeda be. Nilaza i Keil sy i Delitzsch, mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly, fa ny habetsahan’ny herisetra tamin’izay no “fandringanan-tena tsy nifaditrovana indrindra nandritra ny ady an-trano iray nikorontana izaitsizy. Tsy nahitana firaiketam-po velively teo amin’izy ireo, izay nifampihinana, nefa tsy afa-po akory”. Azo inoana fa, matoa nosinganina ny fokon’i Efraima sy i Manase teto, dia satria izy ireo no solontena lehibe indrindran’ilay fanjakana tany avaratra, ary noho izy ireo taranaky ny zanak’i Josefa roa lahy, dia izy ireo no mpihavana akaiky indrindra tamin’ireo foko folo. Na izany aza anefa, dia tsy nampitsahatra ny herisetra nifamonoan’ny mpirahalahy izy ireo, raha tsy rehefa hiara-miady tamin’i Joda tany atsimo.—2 Tantara 28:1-8.
-
-
Lozan’ireo Mpikomy!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
[Sary, pejy 139]
Nihanaka nanerana an’i Isiraely, toy ny doro ala, ny faharatsiana sy ny herisetra
-