FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Bera-elima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • BERA-ELIMA

      (Bera-elìma) [Lavadranon’ny Hazobe].

      Toerana notononin’i Isaia tao amin’ny loza hanjo an’i Moaba. (Is 15:8) Voalaza fa ho tonga hatrany Eglaima sy Bera-elima ny “fidradradradrana” noho ilay faharavana. Tsy fantatra ny toerana nisy azy io. Maro ny manam-pahaizana milaza fa izy io ihany ilay Bera resahin’ny Nomery 21:16.​—Jereo BERA, II No. 1.

  • Eglaima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • EGLAIMA

      (Eglàima).

      Anisan’ny sisin-tanin’i Moaba. ‘Hidradradradra’ izy io rehefa horobaina ilay firenena, araka ny Isaia 15:1, 8. Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy azy io. Nilaza i Eusèbe (Onomasticon, 36, 19-21) fa 12 km teo ho eo atsimon’i Rabata-moaba no nisy an’i Eglaima sy Agalima (anarana mitovitovy amin’i Eglaima). Angamba mbola ahitana an’ireo anarana ireo ilay hoe Rojm el-Jilimeh any amin’io faritra io, na ilay hoe Kirbet Jeljol any amin’ny 7 km atsimo kokoa, izay efa nisy tamin’ny andron’ny Nabateanina sy ny Romanina. Mihevitra ilay manam-pahaizana atao hoe Yohanan Aharoni fa i Mazraʽ, tany lonaka any an’efitra, avaratratsinanan’ny Saikinosin’i Lisana, no Eglaima.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara