-
Afaka Mandray Soa Amin’ny Fifanekena Vaovao IanaoMahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
-
-
5. Nahoana i Jehovah no nilaza fa hanao fifanekena vaovao?
5 Hitantsika sahady àry hoe nahoana no nasain’Andriamanitra naminany momba ny fifanekena iray hafa i Jeremia, na dia mbola nanan-kery aza ny fifaneken’ny Lalàna tamin’izany. Tsara fanahy sy be fitiavana i Jehovah, ka te hanome fanampiana maharitra ho an’ny firenena maro. Nasainy nanoratra toy izao momba an’ireo ho tafiditra amin’ilay fifanekena vaovao i Jeremia: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Manome fanantenana tena tsara ho an’ny olona rehetra izany, na dia efa tamin’ny andron’i Jeremia aza no nanoratana azy. Nahoana?
6, 7. a) Inona no tsapan’ny olona sasany noho isika mpanota? b) Nahoana no hampahery anao ny fandinihana ny momba ny fifanekena vaovao?
6 Mbola tsy lavorary isika, ary matetika no mahatsapa izany. Hoy ny rahalahy iray niady mafy tamin’ny fahalemeny: ‘Nanenina mafy aho rehefa lavo indray. Nihevitra aho fa tsy ho vitako mihitsy ny hanonitra izay nataoko. Sarotra tamiko ny nivavaka, ka izao no nanombohako azy: “Jehovah ô, tsy fantatro raha hihaino an’ity vavaka ity ianao, fa...”’ Rehefa manota ny olona sasany, na miverina manao ny fahadisoana efa iezahany tsy atao, dia mahatsapa hoe toy ny misy “rahona matevina” misakana ny vavaka ataony tsy ho tonga any amin’Andriamanitra. (Fitom. 3:44) Ny hafa indray mahatsiaro foana ny fahadisoany, na dia efa ela be atỳ aoriana aza. Ary na ny Kristianina fakan-tahaka aza mety hanenina noho ny zavatra nolazainy.—Jak. 3:5-10.
7 Tsy tokony hisy hieritreritra isika hoe tsy ho lavo mihitsy. (1 Kor. 10:12) Na i Paoly aza nahatsapa hoe nanao fahadisoana. (Vakio ny Romanina 7:21-25.) Tokony hitadidy ny fifanekena vaovao àry isika. Anisan’ny mampiavaka azy io ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy hotsarovany intsony ny fahotan’ny olona. Tombontsoa tsy manam-paharoa izany! Azo antoka fa tena nampihetsi-po an’i Jeremia ny naminany momba izany. Hanohina ny fontsika koa ny mandinika momba ny fifanekena vaovao sy ny soa entin’izy io.
-
-
Afaka Mandray Soa Amin’ny Fifanekena Vaovao IanaoMahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
-
-
8, 9. Nahoana no lazaina fa tsy mora tamin’i Jehovah ny nanao izay hahazoan’ny olona famelan-keloka?
8 Rehefa mihamahafantatra an’i Jehovah ianao, dia ho tsapanao kokoa fa tena tsara fanahy sy mamindra fo izy. (Sal. 103:13, 14) Nasongadina tao amin’ilay fifanekena vaovao fa ‘hamela ny fahadisoan’ny’ olona i Jehovah, ary tsy hahatsiaro intsony ny fahotany. (Jer. 31:34) Mety ho nanontany tena i Jeremia hoe ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra izany. Fantany fotsiny hoe fifanekena ilay izy, izany hoe hisy fifanarahana hataon’i Jehovah amin’ny olona. Hotanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’io fifanekena vaovao io ny faminanian’i Jeremia, anisan’izany ilay mahakasika ny famelan-keloka. Atỳ aoriana Andriamanitra vao hanome tsipiriany momba an’ilay fifanekena, rehefa hanazava bebe kokoa ny fikasany, anisan’izany ny hoe inona no hataon’ny Mesia.
9 Misy ray aman-dreny mampihanta ny zanany, ka tsy mba manao zavatra rehefa maditra izy ireny. Toy izany koa ve i Jehovah? Tsia! Tena nanao zavatra izy rehefa nanota ny olombelona, fa tsy navelany amin’izao fotsiny ny fahotan’izy ireo. Nanao zavatra izy mba hampanan-kery ny fifanekena vaovao. Nanaraka tsara ny fitsipiny momba ny rariny izy, mba hahafahan’ny olona hahazo famelan-keloka, na dia tsy mora taminy aza izany. Hanampy anao hahatakatra an’izany ny fandinihana izay nolazain’i Paoly momba ny fifanekena vaovao. (Vakio ny Hebreo 9:15, 22, 28.) Niresaka momba ny ‘fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana’ izy, ary nilaza fa “raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.” Tsy midika izany hoe misy ran’omby na ran’osy alatsaka toy ny notakin’ny Lalàna, rehefa ampiharina ny fifanekena vaovao. Ny ran’i Jesosy no nampanan-kery ny fifanekena vaovao. Afaka ‘mamela’ tanteraka ‘ny fahadisoana sy fahotana’ i Jehovah noho io sorona tonga lafatra io. (Asa. 2:38; 3:19) Iza anefa no tafiditra amin’io fifanekena io sy hahazo famelan-keloka? Tsy ny firenena jiosy aloha. Nilaza i Jesosy fa holavin’Andriamanitra ny Jiosy, dia ireo nanao sorona biby teo ambanin’ny Lalàna. Hifidy firenena hafa kosa izy. (Mat. 21:43; Asa. 3:13-15) Tsy iza io firenena io fa ny “Israelin’Andriamanitra”, izany hoe ireo Kristianina voahosotry ny fanahy. Raha tsorina, dia i Jehovah sy ny Israely ara-nofo no tafiditra amin’ny fifaneken’ny Lalàna, fa i Jehovah sy ny Israely ara-panahy kosa no tafiditra amin’ny fifanekena vaovao, ka i Jesosy no Mpanelanelana.—Gal. 6:16; Rom. 9:6.
10. a) Iza ilay “tsimoka” ho an’i Davida? b) Inona no soa raisin’ny olombelona avy amin’io “tsimoka” io?
10 Nampitahain’i Jeremia tamin’ny “tsimoka” ho an’i Davida ny Mesia. Mety tsara izany. Efa tsy nisy taranak’i Davida nanjaka intsony mantsy tamin’ny taona faramparany naha mpaminany an’i Jeremia, ka azo lazaina hoe toy ny hazo iray notapahina ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida. Tsy maty anefa ny fototr’io hazo io. Mbola nisy tsimoka nipoitra tatỳ aoriana. Tsy iza izany fa i Jesosy, taranak’i Davida. Azo iantsoana an’i Jesosy koa ny hoe “Jehovah no Fahamarinantsika”, ka hita amin’izany fa zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fahamarinana na ny rariny. (Vakio ny Jeremia 23:5, 6.) Navelan’i Jehovah hijalijaly sy ho faty io Zanany lahitokana io tetỳ an-tany. Nampiasa ny vidim-panavotana nomen’io “tsimoka” io i Jehovah, mba hamelana ny heloky ny olona. (Jer. 33:15) Noho izany, dia azo ambara ho “marina ho amin’ny fiainana” ny olona sasany, ary ho voahosotry ny fanahy ka tafiditra amin’ny fifanekena vaovao. Ho hitantsika koa anefa fa misy olon-kafa tsy tafiditra amin’ilay fifanekena, nefa mandray soa amin’izy io. Mbola hita amin’izany koa fa tia rariny Andriamanitra.—Rom. 5:18.
-