FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Afaka Mandray Soa Amin’ny Fifanekena Vaovao Ianao
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
    • 17. Inona no dikan’ilay hoe ‘tsy hotsarovan’i’ Jehovah intsony ny fahotana?

      17 Mpanota anefa ireo olona ankasitrahan’Andriamanitra, ka atao ahoana ny fahotan’izy ireo? Efa hitantsika fa nilaza i Jehovah hoe: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Manao izany amin’ny voahosotra izy, noho ny soron’i Jesosy. Mamela ny vahoaka be koa izy noho io “ran’ny fifanekena” io ihany. Rehefa nilaza anefa i Jehovah hoe “tsy hotsarovako intsony ny fahotany”, dia tsy midika izany hoe very tadidy izy, ka tsy tadidiny ilay fahotana. Midika kosa izany fa rehefa avy mampihatra famaizana izy, ary mamela ny helok’ilay olona mibebaka, dia tsy raharahainy intsony ny fahotan’izy io. Eritrereto i Davida Mpanjaka. Nijangajanga tamin’i Batseba sy nampamono an’i Oria izy, ka nofaizina ary niharan’ny vokatry ny nataony. (2 Sam. 11:4, 15, 27; 12:9-14; Isaia 38:17) Tsy hoe nanome tsiny azy foana noho ny fahotany anefa Andriamanitra taorian’izay. (Vakio ny 2 Tantara 7:17, 18.) Hitantsika amin’izany fa rehefa mamela heloka i Jehovah, dia tsy hotsarovany intsony ilay fahotana, araka ny voalazan’ny fifanekena vaovao.—Ezek. 18:21, 22.

      18, 19. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny fifanekena vaovao?

      18 Asongadin’ny fifanekena vaovao àry fa tena tsara ny fomba itondran’i Jehovah ny mpanota, na ireo voahosotra tafiditra amin’ilay fifanekena izany na ireo manantena hiaina eto an-tany. Afaka matoky ianao fa rehefa mamela ny fahotanao i Jehovah, dia tsy hapoitrany intsony izany. Azontsika akana lesona anefa izany. Afaka mieritreritra isika hoe: ‘Miezaka ho toa an’i Jehovah ve aho, ka rehefa mamela ny fahadisoan’ny hafa, dia tsy miresaka momba izany intsony?’ (Mat. 6:14, 15) Izany no tokony hatao, na fahadisoana kely ilay izy na lehibe toy ny fanitsakitsaham-bady. Rehefa nibebaka ilay nanitsakitsaka ka namela azy ny vadiny, dia “tsy” tokony ‘hotsarovan’io’ vady tsy manan-tsiny io “intsony” ilay fahotana. Mety ho sarotra ny hoe tsy hieritreritra ny fahadisoana nataon’ny olona, kanefa fomba iray hanahafantsika an’i Jehovah izany.a

  • Afaka Mandray Soa Amin’ny Fifanekena Vaovao Ianao
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
    • 21, 22. Nahoana ianao no tsy tokony hotenenina intsony hoe: “Mahalalà an’i Jehovah”?

      21 Anisan’ny zava-dehibe voalaza ao amin’ny fifanekena vaovao izao: “Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho. ... Samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: ‘Mahalalà an’i Jehovah!’ Fa hahalala ahy izy rehetra.” (Jer. 31:33, 34) Hita hoe manana ny lalàn’Andriamanitra ao anatiny ireo voahosotra eto an-tany. Tena tian’izy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, ary tsy miantehitra amin’ny fampianaran’olombelona izy ireo. Faly koa izy ireo mizara fahalalana ara-baiboly amin’ny vahoaka be. Noho izany, dia lasa mahalala an’i Jehovah sy tia azy, ireo manantena hiaina eto an-tany. Manaiky an-tsitrapo ny tari-dalany izy ireo, ary matoky ny fampanantenany. Toy izany koa angamba ianao. Efa mahafantatra tsara an’i Jehovah ianao ary mifandray akaiky aminy. Tombontsoa be izany!

      22 Ahoana tokoa moa no nahatonga anao hifandray akaiky tamin’i Jehovah? Azo antoka fa efa nahatsapa ianao hoe namaly ny vavakao i Jehovah, ka nanjary nankasitraka azy kokoa ianao. Mety ho efa nahatsapa koa ianao hoe nampiany, rehefa nahatsiaro andinin-teny nanampy anao hiatrika olana. Hevero ho sarobidy izany. Mbola hitombo ny fahalalanao an’i Jehovah, raha mianatra foana ny Teniny ianao. Hitondra soa maharitra ho anao izany.

      23. Nahoana no afaka manampy anao tsy hiady saina ny fahalalana an’i Jehovah?

      23 Misy fitahiana hafa koa azontsika dieny izao, noho ny fifanekena vaovao. Manampy antsika tsy hahatsiaro tena ho meloka foana ny fahafantarana fa mamela heloka i Jehovah, araka ny voalazan’io fifanekena io. Misy olona nanala zaza tamin’izy tsy nahalala ny fitsipik’Andriamanitra, ka manenina sy mahatsiaro tena ho meloka foana. Mety hahatsapa toy izany koa ireo namono olona tamin’izy tany an’ady. Mahazo famelan-keloka anefa ny olona tena mibebaka, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy, izay fototry ny fifanekena vaovao. Tsy tokony ho resy lahatra àry ve isika hoe rehefa navelan’i Jehovah ny fahotantsika dia tsy mieritreritra momba izany intsony izy? Tsy tokony hieritreritra be an’ireo fahotana efa navelan’i Jehovah isika.

      24. Nahoana no mampahery anao ny Jeremia 31:20?

      24 Misy fitantarana tena mampiseho hoe mamela heloka Andriamanitra, ao amin’ny Jeremia 31:20. (Vakio.) Nanompo sampy ny foko folon’ny Israely tany avaratra, ka nanasazy azy ireo i Jehovah, am-polony taona talohan’ny andron’i Jeremia. (Ny fokon’i Efraima no solontenan’izy ireo, dia ilay foko lehibe indrindra tao.) Natao sesitany ireo foko ireo. Tena tian’Andriamanitra anefa izy ireo, ka nanehoany hatsaram-panahy. Nantsoiny hoe ‘zanaka mamin’ny fony’ izy ireo. Rehefa nieritreritra azy ireo izy, dia ‘nangotikotika’ ny tsinainy, izany hoe nihetsi-po be izy. Tena mamindra fo amin’ny olona mibebaka tokoa i Jehovah, rehefa jerena io fitantarana io izay voalaza eo alohan’ireo andinin-teny miresaka momba ny fifanekena vaovao.

      25. Nahoana ianao no velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho izy nanao ny fifanekena vaovao?

      25 Amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia ho tanteraka amin’ny fomba feno ilay fampanantenana hoe hamela ny fahotana i Jehovah amin’ny alalan’ny fifanekena vaovao. Ho lavorary ny olona tsy mivadika amin’izay, noho ny fanampian’i Jesosy Kristy sy ireo mpisorona lefitra 144 000. Ho tena anisan’ny fianakavian’i Jehovah manerana an’izao rehetra izao ny olombelona, aorian’ny fitsapana farany. (Vakio ny Romanina 8:19-22.) Nitoloko sy nijaly noho ny fahotana ny olona nandritra ny taonjato maro. Hanana ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” anefa ny olona amin’izay, izany hoe ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Matokia àry fa handray soa be dia be ianao, noho ny fifanekena vaovao izay nataon’i Jehovah noho ny fitiavany. Afaka mandray soa avy amin’ny zavatra nataon’ilay ‘tsimoka ho an’i Davida’ ianao dieny izao sy ho mandrakizay. Ho faly koa ianao rehefa hanjaka eto an-tany “ny rariny sy ny hitsiny.”—Jer. 33:15.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara