FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Arkeolojia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Misy an’izao soratra izao ny Vakin-tanimanga laharana III nosoratan’i Hosaia iray izay: “Hataon’i Yahweh mandre vaovao momba ny fiadanana anie ny tompoko! ... Nisy nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‘Nidina nankany Ejipta i Konia zanak’i Elnatana mpitari-tafika, ary nisy nirahiny nankany amin’i Hodavia zanak’i Ahia sy ny miaramilany mba haka [vatsy] tany.’” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i James Pritchard, 1974, p. 322) Mety ho ilay nitadiavan’ny Joda fanampiana tamin’i Ejipta no tian’izy io horesahina. Nomelohin’ireo mpaminany anefa ny fanaovana izany. (Je 46:25, 26; Ezk 17:15, 16) Hita ao amin’ny bokin’i Jeremia koa ny anarana hoe Elnatana (36:12) sy Hosaia (42:1) eo amin’io vakin-tanimanga io, sy ny hoe Gemaria (36:10), Neria (32:12), ary Jazania (35:3) hita eo amin’ny vakin-tanimanga hafa. Tsy fantatra raha ireo olona noresahin’i Jeremia ihany izy ireo na tsia, nefa tsara hotadidina fa velona tamin’izany fotoana izany i Jeremia.

  • Taratasy Fifanekena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Taratasy roa no natao “araka ny didy sy ny lalàna”, rehefa voaloa ilay vola. Nitovy angamba izy ireo. ‘Taratasy fifampivarotana nasiana tombo-kase’ ny iray, fa ‘ilay iray kosa navela hisokatra.’ (Je 32:11) Ilay voalohany ihany no nosoniavin’ny vavolombelona. “Teo anatrehan’ny Jiosy rehetra nipetraka teo amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina” no nanaovana izany rehetra izany. (Je 32:12) Notehirizina tao anaty vilany tany ireo taratasy roa avy eo.​—Je 32:14.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara