FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mandidididy Vatana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • MANDIDIDIDY VATANA

      Fanaon’ny firenena fahiny ny nandidididy vatana, na nandrangotra ny sandry, tanana, ary tarehy rehefa nisaona (Je 47:5; 48:37), angamba mba hampitonena an’ireo andriamanitra mifehy ny maty, hono, na hihavanana aminy. Nanao izany ny Skytianina rehefa maty ny mpanjakany. Hoy i Hérodote (IV, 71), grika mpahay tantara: “Andrombinany ny sofiny, solainy ny lohany, didididiany ny sandriny, tatahany ny handriny sy orony, ary tsindroniny amin’ny zana-tsipìka ny tanany havia.”

  • Volo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nasaina noharatan’i Ezekiela ny volony sy ny volombavany, ary nozarainy telo ireo volo. Izay nataony tamin’ireo ampahany telo ireo no hanjo ny mponin’i Jerosalema, rehefa hampiharina amin’izy ireo ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (Ezk 5:1-13) Nalahelo sy ory ny olona iray matoa nongotany ny volony na notapahiny. (Ezr 9:3; Je 7:29; 48:37; Mi 1:16) Nalam-baraka, nohamavoina, na nolatsaina ny olona iray matoa nongotana ny volony na ny volombavany.​—Ne 13:25; Is 50:6.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara