-
Miasa TanyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Heviny an’ohatra. Noresahina tao amin’ny fanoharana matetika ny asa tany satria fantatr’olona tsara. Nilaza tamin’ny Filistinina nanaovany ankamantatra i Samsona, fa ‘ny ombivavikeliny no nampiasain’izy ireo hiasa ny tany.’ Ny vadiny izay tokony hiandany aminy mantsy no nampiasain’izy ireo hisikotra ny valin’ilay izy. (Mpts 14:15-18) Tsy hahita vokatra mihitsy izay miasa tany eny ambony harambato. Tsy tokony hanantena ny hahomby koa ny mpitondra tany Israely, satria namadika ny rariny sy nanao ny tsy marina izy ireo. (Am 6:12, 13) Toa ilazana ny asa mafy na asa an-terivozona nampanaovin’ny firenen-kafa an’ny Joda ny asa tany (mafy kokoa amin’ny vantotr’ombivavy noho ny asa eny am-pamoloana) resahin’ny Hosea 10:11, noho izy io nivadi-pinoana. Nila niova àry ny Israely sy Joda. Nila nanomana sy nanalefaka ary nanadio ny fony izy ireo (ampit. Lk 8:5-15), toy ny hoe niasa tany sy nanaisotra tsilo. Tsy ho lany hanaovan-dratsy fotsiny amin’izay ny ezaka sy asa mafy ataon’izy ireo. Tsy hijinja zava-dratsy àry izy ireo, fa hahazo ny fitahian’Andriamanitra kosa.—Je 4:3, 4; Ho 10:12, 13.
-
-
TsiloFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Toy ny fefy tsilo (heb: hedek) ny lalan’ny kamo, hoy ny Ohabolana 15:19, angamba satria mamorona olana be dia be ao an-tsainy izy isaky ny hanao zavatra, ka mitady fialan-tsiny mba tsy hanaovana na inona na inona. Ilazana olona sy zavatra mety handratra na hiteraka olana koa ny tsilo. (No 33:55; Oh 22:5; Ezk 28:24) Ilay ‘tsilo tao amin’ny nofon’i’ Paoly (2Ko 12:7) kosa mety ho areti-maso na aretina hafa tamin’ny vatany (jereo As 23:1-5; Ga 4:15; 6:11), na mety ho ny apostoly sandoka sy ireo nanohitra ny asany sy ny maha apostoly azy. (Jereo 2Ko 11:5, 6, 12-15; Ga 1:6-9; 5:12; 6:17.) Ny fon’ny taranak’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema indray noharin’i Jehovah tamin’ny tany rakotra tsilo, izany hoe feno tsy fahamarinana sy tsy rariny. (Je 4:1-4; ampit. Ho 10:12, 13.) Midika ho fahazoana sitraka indray amin’Andriamanitra kosa ny hoe hosoloana hazo ny tsilo.—Is 55:13; jereo AHIDRATSY; KIRIHITRA; LAMOTY; VOAROINTSILO.
-