FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fihetsika sy Fanao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Misioka. Fanao rehefa gaga na talanjona. Nisioka ireo nahita an’i Joda lao tanteraka sy ireo nahita an’i Babylona ravarava.​—Je 25:9; 50:13; 51:37.

  • Babylona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nihalefy ny lazan’i Babylona nanomboka tamin’io daty manan-tantara (539 T.K.) io. Indroa i Babylona no nikomy tamin’i Dariosy I (Hystaspe), mpanjaka persianina, ka noravana ny manda fiarovany, tamin’ilay fikomiana fanindroany. Nohavaozina ilay tanàna tatỳ aoriana, kanefa nikomy tamin’i Ksersesy I indray ka norobaina. Nikasa hanao azy io ho renivohiny i Aleksandra Lehibe, saingy maty tampoka izy tamin’ny 323 T.K. Resin’i Nicator i Babylona tamin’ny 312 T.K., ka nalainy ny ankamaroan’ireo fitaovana tao mba hanorenany an’i Seleokia, renivohiny vaovao, teo amoron’ny Reniranon’i Tigra. Mbola nisy anefa ny tanànan’i Babylona tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany, ary nisy Jiosy tao. Izany no nahatonga an’i Petera hitsidika an’i Babylona, araka ny voalazan’ny taratasiny. (1Pe 5:13) Nahitana soratra koa tao nilaza hoe mbola nisy hatramin’ny taona 75 A.K. ny tempolin’i Bela. Rava tanteraka anefa ilay tanàna tamin’ny taonjato fahefatra, ary lasa aolo. “Korontam-bato miavosa” sisa no niafarany.​—Je 51:37.

      Dongon-tany sy zavatra ravarava sisa i Babylona. (SARY, Boky Faha-2, p. 324) Hoy ilay boky hoe Arkeolojia sy Fandinihana ny Testamenta Taloha: “Ampahany kely monja tamin’ireo zavatra ravarava be ireo no nofongarina, na teo aza ny ezaka nataon’i Koldewey. Norobaina foana izy ireo nandritra ireo taonjato faramparany, mba hakana fitaovana fanorenana. Izany no anisan’ny nahatonga ilay toerana hikorontana be, ka tena mampahatsiahy an’ireo faminaniana ao amin’ny Is 13:19-22 sy Je 50:39 sy ny andininy manaraka. Vao mainka hita hoe aolo ilay toerana, satria ngazana be ny ampahany lehibe aminy.”​—Nataon’i D. Thomas, Oxford, 1967, p. 41.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara