FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nebokadnezara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nikomy tamin’i Nebokadnezara i Zedekia tatỳ aoriana, ka niray dina tamin’i Ejipta mba ho voaro. (Ezk 17:15; ampit. Je 27:11-14.) Nataon’i Nebokadnezara fahirano indray àry i Jerosalema, ny fahafolon’ny volana Tebeta (Desambra-Janoary) tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia. (2Mp 24:20; 25:1; 2Ta 36:13) Ren’ny Babylonianina anefa hoe nivoaka avy any Ejipta ny tafik’i Farao, ka natsahatr’izy ireo vetivety aloha ilay fanaovana fahirano. (Je 37:5) Voatery niverina tany Ejipta àry ny tafik’i Farao. Taorian’izay, dia niverina tany Jerosalema ny Babylonianina ka nanao fahirano azy io indray. (Je 37:7-10) Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna tamin’ny fahasivin’ny volana Tamoza (Jona-Jolay) 607 T.K., tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia (ny taona faha-18 nanjakan’i Nebokadnezara na ny taona faha-19 nanjakany raha isaina avy eo amin’ny taona nahazoany fahefana). Nandositra i Zedekia sy ny miaramilany, nefa tratra ihany teny amin’ny lemaka karakaina tany Jeriko. Tao Ribla, “tany Hamata” i Nebokadnezara tamin’izay, ka tany no nitondrana an’i Zedekia. Nasainy novonoina daholo ny zanakalahin’i Zedekia. Nopotsiriny avy eo ny mason’i Zedekia, ary nofatorany izy ka nentiny tany Babylona. I Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, kosa no nasaina nandoro ny tempoly sy ireo trano tao Jerosalema, naka an’ireo fitaovana tao amin’ny tempoly, ary nitondra ireo babo. Nisy koa ireo navela tao amin’ilay tany ihany, ka i Gedalia no notendren’i Nebokadnezara ho governoran’izy ireo.​—2Mp 25:1-22; 2Ta 36:17-20; Je 52:1-27, 29.

  • Nebozaradana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • NEBOZARADANA

      (Nebozaradàna) [avy amin’ny teny babylonianina, ary midika hoe “I Nebo dia Nanome Taranaka”].

      Lehiben’ny mpiaro an’i Nebokadnezara Mpanjaka sady anisan’ny tafiny. Nanana andraikitra lehibe izy tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Toa mbola tsy teo izy rehefa natao fahirano voalohany i Jerosalema ka voagorobaka ny mandany. Iray volana teo ho eo tatỳ aoriana mantsy izy vao “tonga tao Jerosalema”, taorian’ny nitondrana an’i Zedekia Mpanjaka tany amin’i Nebokadnezara sy nanapotsirana ny masony.​—2Mp 25:2-8; Je 39:2, 3; 52:6-11.

      Tany ivelan’i Jerosalema i Nebozaradana no nanome toromarika ny amin’ny fomba handravana an’ilay tanàna, izay nanomboka “tamin’ny andro fahafiton’ny volana fahadimy” (volana Aba). Nasainy norobaina ny zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly, narodana ny manda, nentina ireo olona azo babo, ary navela tao an-tanàna ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga. (2Mp 25:8-20; Je 39:8-10; 43:5, 6; 52:12-26) Toa “niditra tao Jerosalema” i Nebozaradana, telo andro taorian’izay, izany hoe ny fahafolon’ny volana. Nisafo an’ilay tanàna izy, ary avy eo nodorany ny tranon’i Jehovah sy ilay tanàna manontolo. (Je 52:12, 13) Nilaza i Josèphe fa nitovy tamin’ny andro nandoroana an’io tempolin’i Solomona io, izany hoe ny fahafolon’ny volana fahadimy, ny andro nandoroana an’ilay tempolin’i Heroda tamin’ny taona 70 A.K.​—Ny Adin’ny Jiosy, VI, 250 (iv, 5); VI, 268 (iv, 8); jereo ABA.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara