-
Manome fanantenana Jehovah ao anatin’ny vanim-potoam-pahorianaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 1 Desambra
-
-
Miseho ho marina Jehovah amin’ny fanasaziana ny mpanota. Toy ny hoe Jerosalema mihitsy no miteny eto. Manontany izy raha mba misy fahoriana sahala amin’ny nampiharin’Andriamanitra taminy. Nandefa afo Andriamanitra mba handrava ny tempoly. Tonga toy ny zioga ny fahotan’ilay tanàna, ary nikoriana be dia be avy amin’ny “famiazam-boaloboka” ny ra rehefa nohosihosen’i Jehovah. Naninjitra ny tanany Ziona ho mariky ny alahelo sy ny fitalahoana, nefa tsy nahita mpampionona mihitsy izy; niseho ho marina Jehovah tamin’ny fanasaziana an’i Jerosalema niodina. Enga anie izy mba hanasazy mafy toy izany koa ireo fahavalony izay entanin-kafaliana! 1:12-22.
-
-
Manome fanantenana Jehovah ao anatin’ny vanim-potoam-pahorianaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 1 Desambra
-
-
◻ 1:15 — “Ny Tompo [Jehovah, MN ] nanosihosy an’i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka”, satria izy no nandidy sy nanome lalana tamin’izay nitranga.” Joda zanakavavy virijina dia mampiseho an’i Jerosalema, oharina eto amin’ny vehivavy iray izay, araka ny finoana, dia tsy hisy hanao an-keriny azy mihitsy. Ny fandravan’ny Babyloniana ny renivohitr’i Joda tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia niteraka fandatsahan-dra nahatsiravina sahala amin’ny fanosihosena voaloboka ao anatin’ny famiazana azy. Hataon’i Jehovah izay hahatonga ny fivavahana lazaina fa kristiana, Jerosalema nasehon’ny tandindona, hohosihosena toy izany koa.
-