-
Fe-potoana Voatondro ho An’ny Hafa FirenenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fe-potoana fito. Tanteraka tamin’i Nebokadnezara aloha ireo “fe-potoana fito” resahin’ilay fahitana. Voan’ny aretin-tsaina nandritra ny fito taona mantsy izy, ka nanjary nihevi-tena ho biby. Niala teo amin’ny fitondrana àry izy, ka lasa nihinana ahitra toy ny biby eny an-tsaha. (Da 4:31-36) Oharin’ny Baiboly amin’ny biby ireo hafa firenena mifehy ny tany, izay manohitra ny vahoaka masin’Andriamanitra sy an’ilay “Andrian’ny andriana.” (Ampit. Da 7:2-8, 12, 17-26; 8:3-12, 20-25; Ap 11:7; 13:1-11; 17:7-14.) Misy mpanao diksionera milaza fa midika hoe “taona” ilay teny hoe “fe-potoana” (avy amin’ny teny aram. ʽiddan), ao amin’ny faminanian’i Daniela. (Jereo Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 1106; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 1105; Lexicon Linguae Aramaicae Veteris Testamenti, nataon’i E. Vogt, Roma, 1971, p. 124.) Azo inoana fa 360 andro ny taona iray satria maharitra “enimpolo sy roanjato sy arivo andro” ny fe-potoana telo sy tapany, araka ny Apokalypsy 12:6, 14. (Ampit. Ap 11:2, 3.) Mira 2520 andro àry ireo “fe-potoana fito.” Rehefa ampiharina anefa ilay hoe “andro iray hosoloana taona iray” voalazan’ny Nomery 14:34 sy Ezekiela 4:6, vao hita hoe misy fahatanterahana hafa koa ilay faminaniana resahin’ny Daniela toko faha-4, ankoatra an’ilay fahatanterahany tamin’i Nebokadnezara. Maharitra 2 520 taona àry ireo “fe-potoana fito.”
-
-
Fanisan-taonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tamin’ny 997 T.K. ka hatramin’ny naharava an’i Jerosalema. Ahalalana ny fe-potoana nitondran’ireo mpanjaka ny Ezekiela 4:1-7. Nasain’Andriamanitra mody nanao fahirano an’i Jerosalema i Ezekiela, ka nandry tamin’ny ilany havia nandritra ny 390 andro mba ‘hitondra ny fahadisoan’ny taranak’Israely’, ary nandry tamin’ny ilany havanana nandritra ny 40 andro mba ‘hitondra ny fahadisoan’ny taranak’i Joda.’ Isaina ho taona iray ny andro iray. Ireo fe-potoana roa ireo (390 taona sy 40 taona) dia manondro ny fotoana nizakan’i Jehovah an’ireo fanjakana roa nanompo sampy ireo. Toy izao no fahazoan’ny Jiosy an’io faminaniana io, araka Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino (fanazavana ny Ezekiela, p. 20, 21): “Naharitra 390 taona ny fahadisoan’ny Fanjakana Tany Avaratra ([araka ny] Seder Olam [fanisan-taona hebreo tranainy indrindra taorian’ny sesitany], [sy ireo Raby] Rashi sy Ibn Ezra). Nilaza i Malbim fa nisain’i Abarbanel nanomboka tamin’ny fizaran’ny fanjakana tamin’ny andron’i Rehoboama ny fahotan’i Samaria ... ka hatrany amin’ny faharavan’i Jerosalema. ... Ilay [ilany] havanana [nandrian’i Ezekiela] dia manondro ny atsimo, izany hoe ny Fanjakan’ny Joda tany atsimo na tany amin’ny ilany havanana. ... Naharitra efapolo taona ny fahadisoan’ny Joda, izay nanomboka taoriana kelin’ny naharava an’i Samaria. Nilaza i Malbim fa manomboka eo amin’ny taona fahatelo ambin’ny folo nanjakan’i Josia io fotoana io no isaina ... rehefa nanomboka ny fanompoany i Jeremia. (Je 1:2).”—Nataon’i A. Cohen, Londres, 1950.
-