-
Diky, TayFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Toa nampiasa diky na tay ny olona sasany mpifindrafindra monina ho solon’ny kitay. Nasain’Andriamanitra nampiasa dikin’olona i Ezekiela mba handrahoana mofo. Tiana haseho amin’izany izay hitranga rehefa hatao fahirano i Jerosalema. Tsy nety anefa i Ezekiela. Tsara fanahy Andriamanitra ka tain’omby no nasainy natao solony. (Ezk 4:12-17) Hita amin’izany fa toa tsy fanao teo amin’ny Israely ny hoe diky no natao kitay.
-
-
Akora FandrehitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Dikin’olona no nasaina nataon’i Ezekiela kitay, mba hampisehoana fa ho mafy be ny fahirano tao Jerosalema. Tsy nety anefa izy ka navelan’i Jehovah hampiasa tain’omby. (Ezk 4:8, 12-15) Mbola ataon’ny olona sasany kitay ny tain’omby maina any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, satria tsy misy firy ny hazo any. Mety ho tsy izany anefa no fanaon’ny Israelita fahiny, satria be ala noho ny amin’izao tany Palestina taloha.
-