-
“Jereo ny Zavatra Ratsy sy Maharikoriko Ataon’izy Ireo”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
Zava-niseho faharoa: Anti-panahy 70 nandoro emboka manitra ho an’andriamani-diso
11. Inona no hitan’i Ezekiela tao amin’ny tokotany anatiny tao amin’ny tempoly, teo akaikin’ny alitara?
11 Vakio ny Ezekiela 8:7-12. Nandoaka rindrina iray i Ezekiela dia niditra tao amin’ny tokotany anatiny tao amin’ny tempoly, teo akaikin’ny alitara. Nahita sary sokitra maharikoriko teny amin’ny rindrina izy avy eo. “Sarina biby mandady sy biby maharikoriko isan-karazany” ary “ny sampy maharikoriko rehetra” notompoin’ny Israelita no teo.c Andriamani-diso no nasehon’ireo sary sokitra ireo. Mbola maharikoriko noho izany anefa ny zavatra hitan’i Ezekiela avy eo. Nijoro ‘tao amin’ny maizina’ ny “anti-panahy 70 teo amin’ny taranak’Israely”, ary nandoro emboka manitra ho an’ireo andriamani-diso ireo. Raha ny Lalàna no jerena, dia mitovy amin’ny fandoroana emboka manitra ny vavaka ataon’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, ary ekeny ireny vavaka ireny. (Sal. 141:2) Ho an’andriamani-diso anefa no nandoroan’ireo anti-panahy 70 emboka manitra, dia lasa tsy masina ilay izy tamin’i Jehovah fa hoatran’ny fofona maimbo be. Lasa hoatran’ny fofona maharikoriko an’i Jehovah àry ny vavaka nataon’izy ireo. (Ohab. 15:8) Namita-tena ry zareo satria nieritreritra hoe: “Tsy mahita antsika ange i Jehovah e!” Tena hitan’i Jehovah anefa ry zareo, ary nasehony an’i Ezekiela mazava tsara izay nataon’izy ireo tao amin’ny tempoliny.
Hitan’i Jehovah daholo ny zavatra maharikoriko atao “ao amin’ny maizina” (Fehintsoratra 11)
12. Nahoana isika no tsy tokony hivadika mihitsy na dia “ao amin’ny maizina” aza, ary iza no tena tokony ho modely amin’izany?
12 Inona no ianarantsika avy amin’io zavatra faharoa hitan’i Ezekiela io? Raha tiantsika hohenoin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, ary tiantsika hoheveriny hoe madio ny fanompoana ataontsika, dia tsy tokony hivadika mihitsy isika na dia “ao amin’ny maizina” aza. (Ohab. 15:29) Tokony hotadidintsika foana hoe mahita an’izay rehetra ataontsika i Jehovah. Raha miaiky isika hoe tena misy izy, dia tsy hanao zavatra mampalahelo azy mihitsy isika na dia tsy misy mahita aza. (Heb. 4:13) Ny anti-panahy no tena tokony hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly mba ho modely ho an’ny hafa. (1 Pet. 5:2, 3) Ry zareo mantsy no mitarika sy mampianatra any am-pivoriana, dia rariny raha manantena ny iray fiangonana hoe manaraka tsara ny toro lalan’ny Baiboly ry zareo, na dia “ao amin’ny maizina” aza, izany hoe rehefa tsy misy mahita.—Sal. 101:2, 3.