-
Faminaniana Momba ny Mesia: Ilay Hazo Sedera LehibeNaverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
5. Hoatran’ny hoe hialokaloka eo ambany fitondran’i Jesosy ny olombelona mankatò, ka hilamina sady tsy hiady saina
-
-
‘Hanendry Mpiandry Iray Aho’Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
10 Ahoana no nahatanteraka an’ilay faminaniana? Nalain’i Jehovah avy tamin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida (ilay “sedera avo”) i Jesosy Kristy Zanany, dia napetrany teo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra (ilay “tendrombohitra avo sy manerinerina”). (Sal. 2:6; Jer. 23:5; Apok. 14:1) Nasandratr’i Jehovah i Jesosy, izay noheverin’ny fahavalony ho “ambany indrindra amin’ny olombelona”, rehefa napetrany teo amin’ny “seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Dan. 4:17; Lioka 1:32, 33) Hoatran’ny hazo sedera lehibe i Jesosy Kristy, ilay Mesia Mpanjaka, satria avy any an-danitra izy no hitondra ny tany sy hanome fitahiana be dia be ho an’ny vahoakany rehetra. Ela ny ela ka misy Mpanjaka azo atokisana ihany! Rehefa hitondra izy io, dia hoatran’ny hoe hialokaloka eo ambany fitondrany ny olombelona mankatò, ka ‘hilamina sady tsy mba hiady saina satria tsy matahotra loza.’—Ohab. 1:33.
-