FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Sola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Lasa sola ny miaramilan’i Nebokadnezara, tamin’izy ireo nanao fahirano an’i Tyro. Nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah fa “sola mihitsy ny lohan’izy rehetra, ary niendaka mihitsy ny hoditra teo amin’ny sorok’izy rehetra”, noho ny “fanompoana mafy” nampanaovin’i Nebokadnezara azy ireo. Nampiasa azy ireo i Jehovah tamin’izay mba hampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Tyro. Lasa sola tokoa ny lohan’izy ireo satria nikasokasoka foana tamin’ny fiarovan-dohany. Nikasokasoka tamin’ny sorok’izy ireo koa ny fitaovana nolanjainy hanamboarana tilikambo sy zavatra hafa nilaina tamin’ilay fahirano.​—Ezk 26:7-12; 29:17, 18.

  • Ezekiela, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Votoatiny. Milahatra araka ny fotoana sy ny foto-kevitra ny ankamaroan’ny faminaniana sy fahitana ao amin’ny Ezekiela. Maningana kosa ny voalazan’ny Ezekiela 29:17-20 satria tsy nitranga tamin’ireo taona resahin’ny Ezekiela 29:1 sy 30:20, nefa mifanaraka amin’ilay foto-kevitra resahina, dia ny faminaniana momba an’i Ejipta. Faminaniana momba ny handravana an’i Jerosalema sy ny hahalao azy no votoatin’ireo toko 24 voalohany. Izany no nambaran’i Ezekiela hatramin’ny volana fahafolon’ny taona fahasivy nitrangan’ny sesitany voalohany, fa tsy dia noresahiny loatra hoe mbola hody any amin’ny taniny ny Jiosy. Ireo firenena mpanompo sampy hitan’i Jehovah mialoha fa hifaly amin’ny faharavan’i Jerosalema kosa no nomelohiny, rehefa natao fahirano ilay tanàna. Niresaka betsaka momba ny hodian’ny Jiosy any amin’ny taniny izy ao amin’ny tapany farany amin’ilay boky, rehefa reny fa rava i Jerosalema.​—33:20, 21.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara