FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Notsapaina, Nefa Tsy Nivadika Tamin’i Jehovah!
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
    • NY OLO-MANGA TEO AMIN’NY TANORAN’I JEROSALEMA

      7, 8. Inona no hevitra azontsika tsoahina momba ny fiavian’i Daniela sy ireo namany telo lahy, avy amin’ny Daniela 1:3, 4, 6?

      7 Tsy ireo rakitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah ihany no nentina tany Babylona. Hoy ny fitantarana: “Ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Isiraely, dia amin’ny zanak’andriana na amin’ny ambony firazanana, dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka”. — Daniela 1:3, 4.

      8 Iza no voafidy? Izao no lazaina amintsika: “Tamin’ireo dia nisy avy amin’ny taranak’i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.” (Daniela 1:6). Izany dia manome fanazavana kely momba ny fiavian’i Daniela sy ireo namany. Voamaritsika, ohatra, fa “taranak’i Joda”, ilay fokon’ny mpanjaka, izy ireo. Na avy tamin’ny tarana-mpanjaka izy ireo na tsia, dia ara-dalàna ny hieritreretana fa avy tamin’ny fianakavian’ny olo-nanan-kaja sy ambony toerana izy ireo, fara faharatsiny. Ankoatra ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana, dia nanana fahendrena sy fahalalana ary fahazavan-tsaina koa izy ireo — ary izany rehetra izany dia tamin’ny fotoana mbola azo niantsoana azy ireo hoe “zatovo”, na “ankizy” (NW ), angamba teo anelanelan’ny 13 sy 15 taona. Tsy maintsy ho olona niavaka — ny olo-manga — teo amin’ireo tanora tany Jerosalema, i Daniela sy ireo namany.

  • Notsapaina, Nefa Tsy Nivadika Tamin’i Jehovah!
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
    • ADIN-TSAINA

      10. Inona no nampianarina an’ireo tanora hebreo, ary noho ny zava-kendrena inona?

      10 Avy hatrany dia nanomboka ny adin-tsaina ho an’ireo tanora tany an-tsesitany ireo. Mba hahazoana antoka fa ho voavolavola tsara hanaraka ny rafitra babylonianina ireo zatovo hebreo ireo, dia nandidy an’ireo tandapany mba ‘hampianatra azy ireo ny taratasy sy ny tenin’ny Kaldeanina’, i Nebokadnezara. (Daniela 1:4). Tsy fanabeazana tsotra akory izany. Manazava ny The International Standard Bible Encyclopedia fa “tafiditra tamin’izany ny fianarana ny teny somerianina, akadianina, aramianina (...), sy fiteny hafa, ary koa ny asa soratra be dia be tamin’ireo fiteny ireo”. Anisan’izany “asa soratra be dia be” izany ny momba ny tantara, ny matematika, ny astrônômia, ary ny toy izany. Kanefa “nitana toerana lehibe ny soratra ara-pivavahana nifandray tamin’izany, ka tafiditra tamin’izany ny fambara ny hoavy sy ny fanandroana (...)”.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara