-
BelsazaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
“Printsy handova ny mpanjaka” no anaram-boninahitr’i Belsazara ao amin’ireo soratra ofisialy, fa ny bokin’i Daniela kosa manao azy hoe “mpanjaka.” (Da 5:1-30) Manampy antsika hahazo ny mety ho anton’izany ny sarivongan’ny mpitondra iray tany Gozana fahiny. Mitovy habe aminy ilay sary, izay nofongarin’ny mpikaroka tany amin’ny faritra avaratr’i Syria, tamin’ny 1979. Misy soratra asyrianina sy aramianina (fiteny nanoratan’i Daniela ny tantaran’i Belsazara) ny akanjon’izy io. Izao ihany no tsy itovizan’ireo soratra ireo: Ilay amin’ny teny asyrianina ofisialy milaza fa sarin’ny “governoran’i Gozana” izy io, fa ilay amin’ny teny aramianina fampiasan’ny vahoaka kosa milaza azy hoe “mpanjaka.”
Hoy àry i Alan Millard, mpikaroka sady manam-pahaizana momba ny fiteny: “Toa mety ny ilazan’ny asa soratra tsy ofisialy toy ny Bokin’i Daniela hoe ‘mpanjaka’ i Belsazara, rehefa jerena ireo soratra babylonianina sy ireo soratra teo amin’ilay sarivongana. Nanao ny asan’ny mpanjaka izy, satria nisolo tena an-drainy, na dia mety ho tsy mpanjaka ara-dalàna aza. Tsy nilana fanazavana be tsipiriany toy izany ny fitantaran’i Daniela, satria mety hanakorontan-tsaina fotsiny izany.”—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, Mey/Jona 1985, p. 77.
Tokony ho modely tamin’ny fanajana an’ireo andriamanitra ny mpanjakan’i Babylonia. Misy soratra miendri-pantsika enina mitantara an’izay nataon’i Belsazara, tamin’ny taona faha-5 ka hatramin’ny faha-13 nanjakan’i Nabonida. Resahin’izy ireny tokoa fa nafana fo tamin’ny fivavahana tamin’ireo andriamanitra babylonianina izy. Nanolotra volamena sy volafotsy ary biby tao amin’ireo tempoly tao Ereka sy Sippar izy. Nisolo tena an’i Nabonida mantsy izy, ka nanao ny adidin’ny mpanjaka.
Nifarana ny fitondrany. Nanao fanasambe ho an’ny olo-manan-kajany arivo lahy i Belsazara ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. (kalandrie gregorianina), na 11 Oktobra (kalandrie jolianina), araka ny Daniela toko faha-5. (Da 5:1) Nanao fahirano an’i Babylona ny tafik’i Kyrosy Persianina sy Dariosy Medianina, tamin’izay. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara (izay namerina ny tenin’i Bérose Babylonianina), fa niafina tany Borsippa i Nabonida, rehefa resin’ny Medianina-Persianina tany an’ady. (Diso Hevitra i Apion, I, 150-152 [20]) Raha izany no izy, dia i Belsazara no mpanjaka tao Babylona. Nanao fanasambe izy na dia natao fahirano aza ilay tanàna. Tsy mahagaga izany satria natoky be ry zareo Babylonianina fa tsy ho tafiditry ny fahavalo ireo mandany. Nilaza koa i Hérodote sy Xénophon, izay samy mpahay tantara, fa nanana tahirin-tsakafo be dia be ilay tanàna, ka tsy natahotra mosary. Nisy lanonana sy dihy tamin’io alina io, hoy i Hérodote, ka falifaly ny iray tanàna.
-
-
KyrosyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Voalazan’ny faminanian’ny Baiboly fa ho ritra ny reniranon’i Babylona ary tsy hikatona ny vavahadiny, rehefa manafika i Kyrosy. Ho tampoka ilay fanafihana ary tsy hanohitra ireo miaramilan’i Babylona. (Is 44:27; 45:1, 2; Je 50:35-38; 51:30-32) Nilaza i Hérodote fa nisy hadivory lalina nanodidina an’i Babylona, ary nisy vavahady halimo (na varahina) maromaro teo amin’ireo manda anatiny nanamorona ny Reniranon’i Eofrata, izay nandalo teo afovoan’ilay tanàna. Nanao fahirano an’ilay tanàna i Kyrosy, hoy i Hérodote (I, 191, 192), ka “nanao lakandrano mba hamiliana an’ilay renirano ho ao amin’ny farihy iray [nataon’i Nitokrisy vadin’ny mpanjakan’i Babylona, hono], izay honahona tamin’izay. Lasa marivo azo niampitana àry ilay renirano. Niroboka avy hatrany teo amin’i Eofrata izay efa nihena hatreny antsasa-pe ireo Persianina ..., ka niditra tao Babylona. Raha fantatry ny Babylonianina mialoha ny tetik’i Kyrosy, dia ho navelany hiditra tao an-tanàna ny Persianina ka nataony nahita faisana. Ho nohidiany daholo mantsy ny vavahady rehetra nanamorona an’ilay renirano, ary ho niakatra teny ambonin’ireo manda izy ireo ka nataony tsy afa-nandositra ireo fahavalony. Tsy nampoizin’izy ireo anefa ny nidiran’ny Persianina. Rehefa resy ireo nonina teny an-tsisin’ilay tanàna, dia tsy fantatr’ireo tany afovoan-tanàna akory izany, satria tena lehibe ilay tanàna, araka ny filazan’ireo mponina tao. Nandihy sy nanao fety izy ireo tamin’izay ... mandra-pahafantany hoe tafiditra ny fahavalo. [Ampit. Da 5:1-4, 30; Je 50:24; 51:31, 32.] Sambany àry i Babylona vao resy.”
-