FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpanandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • MPANANDRO

      Ao amin’ilay ampahany amin’ny bokin’i Daniela nosoratana tamin’ny teny aramianina ihany no misy hoe gazerin. (Da 2:4b–7:28) Avy amin’ny fototeny midika hoe “manapatapaka” izy io, ary ilazana an’ireo mizarazara ny lanitra ho faritra maromaro. “Ombiasy” no andikan’ny Baiboly sasany (DIEM) an’io teny aramianina io. (Da 2:27; 4:4 [and. 7, TV]; 5:7, 11) Hoy ny Diksionera Hebreo sy Kaldeanina Nataon’i Gesenius momba ny mpanandro: “Nandinika ny toeran’ny kintana teny amin’ny lanitra izy ireo, ary nanandro sy nanao kajikajy ... mba hamantarana izay hitranga amin’ny olona tsirairay.” (Nadikan’i S. Tregelles, 1901, p. 166, 167) Mazàna no mivavaka amin’andriamanitra maro ny mpanandro. Niandoha tany amin’ny faritra atsimon’ny Lohasahan’i Mezopotamia ny fanandroana taoriana kelin’ny Safodrano, rehefa tsy nanompo an’i Jehovah intsony ny olona. Lasa nidika hoe “mpanandro” àry ny hoe Kaldeanina, tatỳ aoriana.

  • Belsazara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Resahin’ny Daniela 5:2, 11, 18, 22 hoe ‘rain’i’ Belsazara i Nebokadnezara, ary ‘zanak’i’ Nebokadnezara i Belsazara. Manazava ny boky iray fa angamba i Nitokrisy zanak’i Nebokadnezara (II) no renin’i Belsazara. (Nabonida sy Belsazara, nataon’i R. Dougherty, 1929) Raha izany no izy, dia raiben’i Belsazara i Nebokadnezara. (Mitovitovy amin’izany ny hevitry ny hoe ‘ray’ ao amin’ny Ge 28:10, 13.) Tsy ny manam-pahaizana rehetra anefa no afa-po amin’izany fanazavana izany. Angamba ‘rain’i’ Belsazara fotsiny i Nebokadnezara, amin’ny heviny hoe mpanjaka talohany izy. Ny Asyrianina koa niantso an’izay nandimby an’i Omry hoe “zanak’i Omry.”​—Jereo OMRY No. 3.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara