FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Parsina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • PARSINA

      (Parsìna).

      Anisan’ny teny nipoitra tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny rindrin’ny lapan’i Belsazara, ary novakin’i Daniela sy nohazavainy. (Da 5:25) Io no endriny milaza maro amin’ny hoe “Peresa” midika hoe “antsasa-tsekely.” Tsy “Parsina” (mr.) anefa fa “Peresa” (tkn.) no nohazavain’i Daniela (Da 5:28), angamba satria i Belsazara irery no teo mba handre ny fanazavany an’ilay faminaniana, na dia samy voakasik’izy io aza izy sy Nabonida, izay mpanjakan’i Babylona koa.​—Jereo PERESA.

  • Peresa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • PERESA

      (Perèsa).

      Teny aramianina nampiasain’i Daniela tamin’izy nanazava ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina hoe: “MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA.” (Da 5:25, 28) “Mane iray, mane iray, sekely iray ary antsasa-tsekely” no dikan’ilay soratra, hoy ny Pr. Judah Slotki. (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1951; jereo koa Fanazavan’i Peake ny Baiboly, nataon’i M. Black sy H. Rowley, Londres, 1964, p. 596.) Endriny milaza tokana amin’ny hoe “Parsina” ny hoe “Peresa”, ka midika hoe “antsasa-tsekely.”

      Nampiasa teny aramianina roa hafa misy renisoratra telo toy ny ao amin’ny hoe “Peresa” ilay mpaminany tao amin’ny fanazavany, saingy hafa ny fanononana azy ireo. Hoy izy: “PERESA [Peres]: Nozaraina [perisat] ny fanjakanao, ka homena ho an’ny Medianina sy ny Persianina [oFaras].” Nataony tsilalaon-teny àry ny hoe “Peresa” sy ny fototeny midika hoe “mizara.” Nanamarina ny fanazavany ny zava-nitranga ny alin’iny.​—Jereo PARSINA.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara