FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
    • 12. a) Inona no fintinin’i Hosea ao amin’ny toko faha-13? b) Famerenana amin’ny laoniny inona no nampanantenaina?

      12 Ao amin’ny toko faha-13, i Hosea dia mamintina izay rehetra nitranga taloha, momba ny fampanantenan’ny Isiraely tany am-boalohany sy ny fiahian’i Jehovah feno fitiavana, ary koa ny fanadinoan’ny Isiraely sy ny fiodinan’ilay firenena tamin’i Jehovah tamin’ny farany. Nanambara toy izao i Jehovah: “Nomeko mpanjaka hianao tamin’ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin’ny fahavinirako.” (13:11). Avy eo anefa dia hisy famerenana amin’ny laoniny: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny Sheola izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry Sheola, ô, aiza ny fandringananao?” (13:14, f.a.p.). Kanefa, hampihoron-koditra ny zavatra hanjo an’i Samaria mpiodina.

  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
    • 15. Ahoana no ampiharan’ireo mpanoratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ireo fakan-teny avy ao amin’ny bokin’i Hosea?

      15 Ireo firesahana ataon’ny mpanoratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana momba ny faminanian’i Hosea koa dia mahasoa indrindra mba hodinihintsika amin’izao andro izao. I Paoly, ohatra, dia nampihatra tamin-kery ny Hosea 13:14 rehefa nandinika ny fitsanganana amin’ny maty toy izao: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” (1 Kor. 15:55). Rehefa nanantitrantitra ny amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, izay asehony amin’ireo fanaky ny famindram-po, i Paoly dia naka teny toy izao avy tao amin’ny Hosea 1:10 sy ny 2:23: “Araka izay lazainy eo amin’i Hosea hoe: ‘Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; ary ilay tsy malala hoe malala; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo, dia any no hiantsoana azy hoe zanak’Andriamanitra velona.’ ” (Rom. 9:25, 26). Nilaza tamin’ny fomba hafa ireo andalan-teny avy ao amin’ny Hosea ireo ihany, toy izao i Petera: “Dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.” — 1 Pet. 2:10.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara