FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Avena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Beti-edena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • BETI-EDENA

      (Beti-edèna) [Tranon’i Edena].

      Tanàna na faritra tany Syria noresahin’i Amosa mpaminany ao amin’ilay fanamelohana an’i Damaskosy. (Am 1:5) Maro no mihevitra fa ilay Bit-adini resahin’ny soratra asyrianina izy io, izany hoe ilay faritra teo anelanelan’ny reniranon’i Eofrata sy ny reniranon’i Balikh. Tsy mitombina anefa izany raha tsy hoe ireo fanjakana aramianina (syrianina) rehetra angaha no mifanitsy amin’i “Damaskosy” resahin’ilay faminaniana, satria tany amin’ny 480 km teo ho eo avaratr’i Damaskosy no nisy ny fanjakan’i Bit-adini. I Damaskosy mantsy no “lohan’i Syria.”​—Is 7:8.

      Nilaza koa i Amosa (tamin’ny t. 804 T.K. angamba) fa “hatao sesitany any Kira ny mponin’i Syria.” Toa tanteraka izany tamin’ny fotoana nitondran’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka (761-746 T.K.).​—2Mp 16:9.

  • Bikata-avena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • BIKATA-AVENA

      (Bikàta-avèna) [Lohasahan’ny Fanaovan-dratsy (Zava-dratsy)].

      Toerana na lemaka voatonona miaraka amin’i Damaskosy sy Beti-edena, ao amin’ny faminanian’i Jehovah momba ny hanaovana sesitany ny mponin’i Syria. (Am 1:5) Tsy misy anefa soratra na tantara miresaka momba ny tanàna syrianina nantsoina hoe Bikata-avena. Misy àry manam-pahaizana mihevitra fa ny Lohasaha Bekaʽ eo anelanelan’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona sy Amana (Anti-Liban ankehitriny) izy io. Ringana ny mponin’i Bikata-avena rehefa resin’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina i Syria. Tanteraka àry ilay faminaniana.​—2Mp 16:9, 10.

  • Fahababoana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nesorin’ny Asyrianina tany an-tanindrazany ny mponina tao amin’izay tanàna azony, ary babo avy tany amin’ny faritra hafa eran’ilay fanjakana no nafindrany tao. Toa i Asyria, firenena matanjaka faharoa, no voalohany nampiasa izany paikady izany. Tsy ny Jiosy ihany no nataony toy izany, fa ny mponin’i Damaskosy renivohitr’i Syria koa. Nataony sesitany tany Kira izy ireo, araka ny efa nambaran’i Amosa mpaminany. (2Mp 16:8, 9; Am 1:5) Roa sosona ny vokatr’io paikady io: Tsy ho sahy hikomy ireo olom-bitsy sisa tavela tao an-tanàna, ary tsy dia harisika hanampy an’ilay vahoaka nafindra tao ireo firenena nanodidina, izay naman’ireo olona lasa babo.

  • Damaskosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nomelohin’i Jehovah. Lasa “lohan’i Syria” indray i Damaskosy, 100 taona tatỳ aoriana. (Is 7:8) Niray dina tamin’i Peka mpanjakan’ny Israely i Rezina mpanjakan’i Damaskosy, ka namakivaky an’i Joda ary tonga hatrany Elata eo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.). Natahotra be i Ahaza ka nanome tsolotra an’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, mba hamonjeny azy teo am-pelatanan’i Syria. Avy hatrany dia notafihin’ny Asyrianina sy nobaboiny i Damaskosy, novonoiny i Rezina, ary nataony sesitany ny ankamaroan’ny mponina tao. (2Mp 16:5-9; 2Ta 28:5, 16) Tanteraka àry ny faminanian’i Jehovah nampilazainy an’i Isaia sy Amosa. (Is 8:4; 10:5, 8, 9; Am 1:3-5) Naka tahaka an’ilay alitaran’ny mpanompo sampy hitany tao Damaskosy anefa i Ahaza, rehefa avy nihaona tamin’i Tiglato-pilesera (sy nanome voninahitra azy angamba) tany. Nanao sorona teo amboniny “ho an’ireo andriamanitr’i Damaskosy” izy tatỳ aoriana.​—2Mp 16:10-13; 2Ta 28:23.

  • Edena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • 2. Toerana tanisaina miaraka amin’i Harana sy Kane, ary lazaina fa foibe ara-barotra nifampiraharaha tamin’i Tyro. Nampahalaza an’i Edena ny varotra fitafiana tsara sy karipetra ary tady. (Ezk 27:23, 24) Voalaza fa fanafohezana an’ilay anarana hoe Beti-edena resahin’ny Amosa 1:5, ny hoe Edena. Anisan’ireo mponina tany amin’ireo tanàna resin’ny tafika asyrianina ny “zanak’i Edena.” (2Mp 19:12; Is 37:12) Misy milaza fa io Edena io (Beti-edena) ilay faritany kely atao hoe Bit-adini manamorona ny Reniranon’i Eofrata.​—Jereo BETI-EDENA.

  • Hazaela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy azon’i Salmanesera III anefa i Damaskosy. Toa i Tiglato-pilesera III no nahazo azy io, tamin’ny andron’i Rezina mpanjakan’i Syria. Tanteraka tamin’izay ny faminanian’i Jehovah nambaran’i Amosa hoe: “Handefasako afo ny taranak’i Hazaela, ary handevona ny tilikambo fonenan’i Beni-hadada izany. Hotapahiko ny bara hidim-bavahadin’i Damaskosy.”​—Am 1:4, 5; 2Mp 16:9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara