FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Ambarao any Amin’ireo Firenena Izao”
    Tadidio Foana ny Andron’i Jehovah
    • 8. Nahoana no ampitahaina amin’ny liona “ny sisa amin’i Jakoba”?

      8 Oharin’i Mika mpaminany amin’ny liona ireo olona manolotra ny ‘vokatry ny molotra, dia ny vantotr’ombilahy fiderana.’ Hoy izy: ‘Ho eo anivon’ireo firenena ny sisa amin’i Jakoba, ka ho toy ny liona eo anivon’ny bibidia any an’ala sy ho toy ny liona tanora eo anivon’ny andian’ondry. Rehefa mandalo mantsy ny liona, dia sady manitsakitsaka no mamiravira, ary tsy misy mahavonjy an’izay azony.’ (Mika 5:8) Nahoana no mety tsara io fanoharana io? Satria tsy maintsy be herim-po toy ny liona ny vahoakan’Andriamanitra tarihin’ireo sisa voahosotra ankehitriny, rehefa mampitandrina an’ireo firenena fa akaiky ny andron’i Jehovah.a

      Sary, pejy 169

      Sahy manambara ny andron’i Jehovah ve ianao?

      9. a) Rahoviana ianao no tena mila be herim-po toy ny liona? b) Inona no hanampy anao ho be herim-po rehefa misy manohitra na tsy miraika?

      9 Be herim-po toy ny liona ve ianao rehefa manambara an’ilay fampitandremana? Tsy hoe rehefa entina eo anatrehan’ny manam-pahefana ihany ianao no mety hila herim-po, fa rehefa miresaka amin’ny mpiara-mianatra na ny mpiara-miasa na ny havana tsy Vavolombelona koa. (Mika 7:5-7; Matio 10:17-21) Ahoana àry no hanananao herim-po rehefa misy manohitra na tsy miraika? Diniho hoe inona no nanampy an’i Mika hampitandrina ny Jiosy momba ny fandravana an’i Samaria sy Jerosalema. Hoy izy: “Feno hery avy amin’ny fanahin’i Jehovah [aho], ary tena tiako ny rariny sady be herim-po aho mba hilaza amin’i Jakoba ny fikomiany, ary amin’i Israely ny fahotany.” (Mika 1:1, 6; 3:8) Afaka mahazo be dia be amin’ny fanahin’Andriamanitra koa ianao, ka ho “feno hery” toa an’i Mika. (Zakaria 4:6) Raha miantehitra amin’Andriamanitra sy mivavaka aminy ianao, dia ho vitanao ny hanambara an’ilay hafatra mety hampangorintsina ny sofin’izay mandre azy.—2 Mpanjaka 21:10-15.

  • “Ambarao any Amin’ireo Firenena Izao”
    Tadidio Foana ny Andron’i Jehovah
    • a Angamba tanteraka voalohany io faminaniana io tamin’ny andron’ny Makabeo. Noroahin’ireo Jiosy hiala tany Joda ny fahavalony tamin’izay, ary notokanan’izy ireo indray ny tempoly. Afaka nandray tsara ny Mesia àry ny sisa tamin’ny Jiosy, tatỳ aoriana.—Daniela 9:25; Lioka 3:15-22.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara