-
Fanontanian’ny mpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Novambra
-
-
Ho ohatra iray momba ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 desambra 1928 dia nanazava ny Mika 5:1-14. Niresaka momba ny nandravan’“ny Asyriana” an’i Samaria sy ny niverenan’ireo Jiosy avy tany amin’ny fahababoana tany Babylona ny bokin’i Mika. (Mika 1:1, 5-7; 4:10) Nanambara ny amin’ny fitrangan-javatra ho avy koa anefa izy io, toy ny hahaterahan’ny Mesia tany Betlehema. (Mika 5:1) Naminany i Mika fa aorian’ny fanafahana azy ireo amin’“ny Asyriana”, “izay sisa amin’i Jakoba” dia hanjary “tahaka ny ando avy amin’i Jehovah” ary “tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ny ondry aman-osy”. (Mika 5:5-7) Nanazava toy izao ilay Tilikambo Fiambenana: “Mety ho azo atao ny mandray izany ho toy ny fanambarana fa hisy sasany amin’ny sisa ho eto an-tany na dia aorian’ny adin’i Haramagedona aza ka amin’izany izy ireo dia hanana asa sasany hafa hatao amin’ny anaran’ny Tompo ary ho fankalazana sy fiderana azy.” Mariho ny fomba fiteny tsy mirehareha sy maotina nampiasaina mba hampidirana io mety ho fisian-javatra io hoe: “Mety ho azo atao ny mandray izany ho toy ny fanambarana.”
-
-
Fanontanian’ny mpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Novambra
-
-
Ireo fanazavana momba ny mety hisian’ny voahosotra sasany ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao dia natao tamim-pikasana tsara ary tamin’ny alalan’ny fanazavan’ny zava-nitranga taloha voalaza ao amin’ny Baiboly mba hanandramana hahatakatra ireo faminaniana na tandindona izay mety hanana ny mifanitsy aminy atỳ aoriana. Raha toa ka hita fa tsy misy na dia iray amin’ireo voahosotra aza tavela eto an-tany, dia tsy hisy antony tokony haha-diso fanantenana. Efa nanaiky isika fa mihamazava arakaraka ny fandehan’ny fotoana ny zavatra ao amin’ny Baiboly. Ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1982 dia niresaka ny amin’ny Mika 5:5-8 indray ary nanazava fa “tsy voatery hiandry aorian’ny (. . .) Haramagedona akory ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy mba ho ‘ando’ mamelombelona ho an’ny olona.” Io fanazavana io dia nanolotra indray ny mety hisian’ny sisa ho tafita velona amin’ny ady lehiben’Andriamanitra ka “hanohizany ho ‘ando’ mamelombelona ho an’ny ‘olona betsaka’ amin’ny ‘ondry hafa mandritra ny fotoana kelikely.’” Hitantsika anefa fa ny fandehan’ny fotoana sy ny fitomboan’ny fahazavana ara-panahy dia afaka manitatra sy manova ny fahatakarantsika ny faminaniana na fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly. — Ohabolana 4:18.
-