FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mamelà Heloka Amin’ny Fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Oktobra
    • 15, 16. a) Ahoana no nilazalazan’i Mika an’i Jehovah? b) Inona no hevitry ny hoe ‘mandalo fahadisoana’ Andriamanitra?

      15 Aoka isika tsy hanadino fa Andriamanitra no ohatra ho antsika ny amin’ny famelan-keloka. (Efesiana 4:32–5:1). Izao no nosoratan’i Mika mpaminany, mahakasika ny modely omen’i Jehovah raha ny amin’ny famelana ny fahadisoana handalo: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo.” — Mika 7:18.

      16 Rehefa milazalaza an’i Jehovah ho ‘mandalo fahadisoana’ ny Baiboly, dia tsy te hilaza akory hoe tsy afaka mahatadidy ireo ratsy natao i Jehovah, toy ny hoe very tadidy izy amin-javatra voafaritra tsara sasany. Diniho ny amin’i Samsona sy i Davida, izay samy nanao fahadisoana lehibe. Afaka nahatadidy ny fahotan’izy ireo Andriamanitra, ela be tatỳ aoriana; ary na isika aza dia mahafantatra ny ampahany tamin’ny fahotan’izy ireo, satria nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly izany. Na izany aza, dia namindra fo tamin’izy roa lahy ireo ilay Andriamanitsika mamela heloka, ka nanao azy ireo ho oha-pinoana tokony hotahafintsika. — Hebreo 11:32; 12:1.

      17. a) Inona no fomba fijery manampy antsika handalo ireo fahadisoana na fanafintohinan’ny hafa? b) Raha milofo manao izany isika, ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

      17 Eny, afaka ‘nandalo’a fahadisoana i Jehovah, toy ny nangatahan’i Davida azy imbetsaka mba hataony. (2 Samoela 12:13; 24:10). Afaka manahaka an’Andriamanitra ve isika amin’io lafiny io, ka ho vonona handalo ny fanaovana tsinontsinona sy ny fanafintohinana ataon’ny mpiara-manompo amintsika, izay olombelona tsy lavorary ihany? Alao sary an-tsaina ange ny tenanao mitaingina fiaramanidina Boeing iray eo am-piaingana e. Rehefa mijery any ivelany ianao, dia mahita eo akaikin’ny lalam-piaramanidina, olom-pantatra iray mampiseho tsy fanajana fa mitranga lela toy ny ankizy kely. Fantatrao fa sosotra izy, ary nety ho taminao izy no sosotra. Na koa nety tsy ho ianao velively no nahasosotra azy. Na ahoana na ahoana, rehefa mihodina ilay fiaramanidina mba hiakarana ambony kokoa, dia mandalo eo ambonin’ilay vehivavy ianao, ary toa pentina kely iray sisa no fahitanao azy. Rehefa afaka adiny iray, dia any amin’ny an-jatony kilaometatra maro ianao, ary efa nilaozanao ela ilay fihetsika nanafintohina nataon’ilay vehivavy. Toy izany koa fa matetika no hahasoa antsika ny mamela heloka, raha miezaka hanahaka an’i Jehovah isika ary maneho fahendrena, ka mandalo ilay fanafintohinana. (Ohabolana 19:11). Tsy ho toa bitika ve ilay fanaovana tsinontsinona, rehefa afaka folo taona, na rehefa afaka roanjato taona ao anatin’ny Fanjakana Arivo Taona? Nahoana raha mamela ilay izy handalo fotsiny?

  • Mamelà Heloka Amin’ny Fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Oktobra
    • a Milaza ny manam-pahaizana iray fa ilay teny an’ohatra hebreo nampiasaina ao amin’ny Mika 7:18, dia “noraisina avy tamin’ny fihetsiky ny mpandeha iray mandalo kanefa tsy mahamarika zavatra iray tsy tiany hampifantohana ny sainy. Ilay hevitra tiana hampitaina akory tsy hoe, tsy mahamarika fahotana Andriamanitra, na hoe zavatra tsy dia manao ahoana, na tsy misy dikany aminy izany. Ilay hevitra tiana hampitaina kosa dia hoe tsy marihiny ho fikendrena ny hanasazy ilay izy, amin’ny toe-javatra sasany; ary koa tsy manasazy izy, fa mamela heloka”. — Mpitsara 3:26; 1 Samoela 16:8.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara