-
Andro FaranyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Faminanian’i Isaia sy Mika. Hitanjozotra ho any ‘an-tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah’ ny olona avy amin’ny firenena rehetra, “any am-parany”, hoy ny Isaia 2:2 sy Mika 4:1. Tanteraka voalohany io faminaniana io teo anelanelan’ny taona 29 sy 70, rehefa nadiva ho rava ny tontolo jiosy. Nasandratra ho avo noho ny fivavahan’ny mpanompo sampy (izay oharina koa amin’ny tendrombohitra) mantsy ny fivavahana tamin’i Jehovah. Nanandratra ny fivavahana marina i Jesosy Kristy Mpanjaka ka azo lazaina hoe “mpanagorobaka.” Nanaraka azy ny sisa tamin’ny firenen’Israely, ary avy eo ny olona avy tamin’ny firenena rehetra. (Is 2:2; Mi 2:13; As 10:34, 35) Tanteraka amin’izao andro farany izao koa ny faminanian’i Isaia sy Mika, satria efa asandratra avo ny fivavahana amin’i Jehovah. Tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka ho amin’ny fivavahana madio ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, ary avy eo ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra.—Ap 7:9.
-
-
TendrombohitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tanteraka voalohany io faminaniana io teo anelanelan’ny taona 29 sy 70, rehefa nadiva ho rava ny tontolo jiosy. Tamin’izay ny fivavahana tamin’i Jehovah dia nasandratra ho avo noho ny fivavahan’ny mpanompo sampy izay noheverin’izy ireny ho avo. Nanandratra ny fivavahana marina i Jesosy Kristy Mpanjaka ka azo lazaina hoe “mpanagorobaka.” Nanaraka azy ny sisa tamin’ny firenen’Israely, ary avy eo ny olona avy tamin’ny firenena rehetra. (Is 2:2; Mi 2:13; As 10:34, 35) Tanteraka amin’izao andro farany izao koa io faminaniana io, satria efa asandratra avo dia avo ny fivavahana amin’i Jehovah. Tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka ho amin’ny fivavahana madio ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, ary avy eo ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra.—Ap 7:9.
-