-
JerosalemaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Sary an’ohatra nilazana an’ilay Fanjakan’Andriamanitra efa miorina àry i Jerosalema. Avy tao no nivoahan’ny lalàn’Andriamanitra sy ny teniny ary ny fitahiany. (Mi 4:2; Sl 128:5) Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra sy ny sitrapony àry ireo nikatsaka izay hiadanan’i Jerosalema sy izay hahasoa azy. (Sl 122:6-9) Teo amin’ireo tendrombohitr’i Joda no nisy an’i Jerosalema, ka azo antoka fa tena nanerinerina izy io. Ny tena nahatonga an’i Jerosalema hanerinerina sy ho kanto anefa dia noho i Jehovah Andriamanitra nanaja sy nanome voninahitra azy io, mba “ho satroboninahitra tsara tarehy” ho an’i Jehovah.—Sl 48:1-3, 11-14; 50:2; Is 62:1-7.
-
-
TendrombohitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Izao no lazain’ny faminaniana fa hitranga: “Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. Ary hitanjozotra ho any ny firenena rehetra.” (Is 2:2, 3; Mi 4:1, 2) Inona no dikan’ny hoe ho avo noho ireo tendrombohitra sy ireo havoana “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”? Te hilaza io faminaniana io fa hasandratra ho avo noho ny fivavahan-diso ny fivavahana marina. Maro mantsy ireo tendrombohitra sy havoana fahiny no natao toeram-pivavahana tamin’ny sampy sy toerana masina ho an’ireo andriamani-diso.—De 12:2; Je 3:6; Ezk 18:6, 11, 15; Ho 4:13.
Tanteraka voalohany io faminaniana io teo anelanelan’ny taona 29 sy 70, rehefa nadiva ho rava ny tontolo jiosy. Tamin’izay ny fivavahana tamin’i Jehovah dia nasandratra ho avo noho ny fivavahan’ny mpanompo sampy izay noheverin’izy ireny ho avo. Nanandratra ny fivavahana marina i Jesosy Kristy Mpanjaka ka azo lazaina hoe “mpanagorobaka.” Nanaraka azy ny sisa tamin’ny firenen’Israely, ary avy eo ny olona avy tamin’ny firenena rehetra. (Is 2:2; Mi 2:13; As 10:34, 35) Tanteraka amin’izao andro farany izao koa io faminaniana io, satria efa asandratra avo dia avo ny fivavahana amin’i Jehovah. Tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka ho amin’ny fivavahana madio ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, ary avy eo ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra.—Ap 7:9.
-