-
“Miandrasa Ahy Hianareo”Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Martsa
-
-
13. Hafatra fanamelohana inona no notononin’i Zefania tamin’i Moaba sy i Amona ary i Asyria?
13 Tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny, i Jehovah dia naneho koa ny fahatezerany tamin’ireo firenena nitondra tamin’ny fomba ratsy ny vahoakany. Nanambara toy izao izy: “Efa reko ny fandatsàn’i Moaba sy ny fanaratsian’ny taranak’i Amona, izay nandatsany ny oloko sy nireharehany teny amin’ny sisin-taniny. Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, dia ho tahaka an’i Sodoma tokoa Moaba, ary ny taranak’i Amona ho tahaka an’i Gomora, dia ho alan’amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; (...) Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy ka handringana an’i Asyria; ary hahalao an’i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.” — Zefania 2:8, 9, 13.
14. Inona no porofo fa ‘nirehareha’ nanohitra an’ireo Isiraelita sy i Jehovah, Andriamanitr’izy ireo, ny firenen-kafa?
14 I Moaba sy i Amona dia fahavalon’ny Isiraely hatramin’ny ela. (Ampitahao amin’ny Mpitsara 3:12-14.) Ilay Vato Moabita, ao amin’ny Tranombakok’i Louvre, any Paris, dia ahitana soratra mirakitra filazana feno fireharehana nataon’i Mesa Mpanjaka moabita. Tamim-pieboeboana no nitantarany ny nakany tanàna isiraelita maromaro noho ny fanampian’i Kemosy andriamaniny. (2 Mpanjaka 1:1). I Jeremia, olona velona tamin’ny andron’i Zefania, dia niresaka momba ny nipetrahan’ireo Amonita tao amin’ny faritany isiraelita any Gada, tamin’ny anaran’i Malkama andriamanitr’izy ireo. (Jeremia 49:1). Raha ny amin’i Asyria indray, ny Mpanjaka Salmanesera V, dia nanao fahirano ary naka an’i Samaria, tokony ho taonjato iray talohan’ny andron’i Zefania. (2 Mpanjaka 17:1-6). Fotoana kelikely tatỳ aoriana, i Sankeriba Mpanjaka dia nanafika an’i Joda, naka maro tamin’ireo tanànany nimanda, sy nandrahona an’i Jerosalema mihitsy aza. (Isaia 36:1, 2). Ilay mpitondra tenin’ny mpanjakan’i Asyria dia tena nirehareha hanohitra an’i Jehovah tokoa, rehefa nitaky tamin’i Jerosalema mba hilavo lefona. — Isaia 36:4-20.
-
-
“Miandrasa Ahy Hianareo”Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Martsa
-
-
15. Ahoana no hampietren’i Jehovah ny andriamanitr’ireo firenena izay nirehareha nanohitra ny vahoakany?
15 Ny Salamo faha-83 dia manonona firenena sasantsasany, anisan’izany i Moaba, i Amona, sy i Asyria, izay nirehareha hanohitra ny Isiraely, ka niteny tamim-pieboeboana toy izao: “Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’Isiraely.” (Salamo 83:4). Tamin-kerim-po no nanambaran’i Zefania mpaminany fa ireny firenena niavonavona rehetra ireny, mbamin’ny andriamanitr’izy ireo, dia haetrin’i Jehovah, Tompon’ny maro. “Izany no ho valin’ny avonavony, satria nandatsa ny olon’i Jehovah, Tompon’ny maro, sy nirehareha taminy izy. Hahatsiravina azy Jehovah, satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany Izy, mba hiankohofan’ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan’i Jehovah, samy any amin’ny fitoerany avy.” — Zefania 2:10, 11.
-
-
“Miandrasa Ahy Hianareo”Ny Tilikambo Fiambenana—1996 | 1 Martsa
-
-
18. a) Ahoana no nampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Jerosalema, ary nahoana? b) Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Zefania nahakasika an’i Moaba sy i Amona?
18 Jiosy maro izay niandry an’i Jehovah no velona koa ka nahita ny fampiharana ireo didim-pitsarany tamin’i Joda sy i Jerosalema. Momba an’i Jerosalema, dia naminany toy izao i Zefania: “Lozan’ny tanàna miodina sady voaloto, dia ilay mampahory! Tsy nihaino ny feo izy, na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.” (Zefania 3:1, 2). Noho ny tsy fahatokiany, i Jerosalema dia nataon’ny Babyloniana fahirano indroa, ary tamin’ny farany dia azony ka noravany tamin’ny 607 al.f.i. (2 Tantara 36:5, 6, 11-21). Raha ny amin’i Moaba sy i Amona indray, araka ny nambaran’i Josèphe mpanoratra tantara jiosy, dia niady tamin’izy ireo ary naharesy azy ny Babyloniana tamin’ny taona fahadimy taorian’ny nianjeran’i Jerosalema. Taorian’izany, dia tsy nisy intsony izy ireo, araka ny voambaran’ny faminaniana.
-