-
JesoaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nijoro teo anoloan’ny anjelin’i Jehovah i Josoa (Jesoa) Mpisoronabe, ary teo ankavanan’i Josoa i Satana mba hanohitra azy, tao amin’ny fahitan’i Zakaria. Nosoloana akanjo mihaja be sy satroka lamba madio ny akanjo maloto be teny amin’i “Josoa.” Noresahina taminy avy eo ny momba ny mpanompon’Andriamanitra hoe Tsimoka.—Za 3:1-8.
Nilazan’i Jehovah i Zakaria, indray mandeha, mba hanisy satroboninahitra teo amin’ny lohan’i Josoa (Jesoa) sy hiteny hoe: “Io ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka. ... Hanorina ny tempolin’i Jehovah izy. ... Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy.” Ho tanteraka amin’ny hoavy io faminaniana io. Samy hafa mihitsy mantsy ny asan’ny mpisorona sy ny an’ny mpanjaka teo ambanin’ny Lalàna, sady tsy nanjaka tany Israely i Josoa Mpisoronabe.—Za 6:11-13.
-
-
Ankamantatra, Teny Saro-pantarinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Teny saro-pantarina indraindray no ilazan’i Jehovah ny fikasany ao amin’ny Baiboly. (Sl 78:2-4) Mety hahavery hevitra ny mpamaky izy ireny, ary mety ho fampitahana mety tsara saingy niniana natao tsy mazava, mba tsy ho azon’olona tamin’ny fotoana nanoratana azy. Miresaka an’ilay ‘mpanompony atao hoe Tsimoka’, ohatra, i Jehovah ao amin’ny Zakaria 3:8. Tsy tonga dia nohazavainy anefa hoe tarana-mpanjaka avy amin’i Davida io tsimoka io, ary io ilay Zanany any an-danitra izay hateraky ny virjiny taranak’i Davida Mpanjaka. Milaza koa ny Apokalypsy 13:18 fa “enina amby enimpolo sy eninjato” ny “isa manondro ny bibidia”, saingy tsy hazavainy ny dikan’ilay isa.
-