FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Aba, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tamin’io volana fahadimy io ny Jiosy natao sesitany 70 taona tany Babylona no nifady hanina sy nidradradradra, ho fahatsiarovana ny nandravana ny tempolin’i Jerosalema. (Za 7:3, 5; 8:19) Ny volana Aba koa i Ezra no niverina tao Jerosalema (izay voaorina indray) mba hampianatra ny Jiosy ny Lalàn’i Jehovah.​—Ezr 7:8, 9, 25.

  • Fifadian-kanina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nisy Jiosy nanontany hoe: “Tokony hitomany ve aho amin’ny volana fahadimy, ka hifady hanina, toy ny efa nataoko tao anatin’izay taona maro be izay?” Dia hoy i Jehovah: “Ho ahy tokoa ve no nifadianareo hanina tamin’ianareo nifady hanina ... nandritra ny fitopolo taona?” Nilaza koa izy fa tokony hankatò azy ny olona tena nifady hanina, hilaza ny marina, hamoaka didim-pitsarana misy fihavanana, ary ho tso-po. Raha nanao izany izy ireo, dia tsy ho nanembona ny lasa na ho nalahelo rehefa nifady hanina. Ho nifaly sy niravoravo kosa izy ireo rehefa fety, satria afaka nanompo an’i Jehovah indray sady nisy olon-kafa koa lasa nanompo Azy.​—Za 7:3-7; 8:16, 19, 23.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara