-
JaonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nohazavain’i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany koa fa tonga i Jaona mba hahatanteraka ny faminanian’i Malakia. (Ml 4:5, 6) Resahina ao fa haniraka an’i Elia mpaminany Andriamanitra alohan’ny hiavian’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra. Voalaza fa “amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa.” Tsy ho anisan’ilay “ampakarina” anefa i Jaona, izany hoe tsy handova an’ilay Fanjakana any an-danitra miaraka amin’i Kristy. (Ap 21:9-11; 22:3-5) Nilaza mantsy i Jesosy fa ‘izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.’ (Mt 11:11-15; 17:10-13; Lk 7:28-30) Nampangain’ny olona hoe misy demonia i Jaona, nefa niaro azy tsy nivantana i Jesosy.—Mt 11:16-19; Lk 7:31-35.
-
-
Malakia, Bokin’iFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Resahin’ilay boky fa ho avy ny Mesia sy ny andron’i Jehovah. Haniraka ny ‘irany’ koa i Jehovah. Ho mpialoha lalana fotsiny anefa io iraka io. Hialoha an’ilay “iraky ny fifanekena” izay hiaraka amin’i Jehovah izy io. (Ml 3:1) Asehon’ny Filazantsaran’i Matio (11:10-14; 17:10-13) sy Marka (9:11-13) ary Lioka (1:16, 17, 76) fa i Jaona Mpanao Batisa, izay nialoha lalana an’i Jesosy, no ilay ‘iraka’ sy ilay “Elia” noresahin’ny Malakia 3:1 sy 4:5, 6.
-