-
NaftalyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Faminanian’i Isaia. Nataon’ny Asyrianina afa-baraka ny Israelita, ary mety ho izany no resahin’ny Isaia 9:1 hoe: “Ny haizina ao amin’ilay tany ..., dia tsy ho toy ny tamin’ny fotoam-pahoriana, tamin’ny andro fahiny izay nanaovana tsinontsinona ny tanin’i Zebolona sy ny tanin’i Naftaly.” Nilaza i Isaia avy eo fa ho avy ny fotoana hanomezam-boninahitra an’izay efa natao tsinontsinona, izany hoe “ilay lalana amoron-dranomasina any amin’ny faritr’i Jordana, dia i Galilian’ireo hafa firenena.” Hoy ihany izy: “Nahita hazavana lehibe ny olona nandeha tao amin’ny haizina, ary niposahan’ny hazavana ireo nitoetra tao amin’ny tanin’ny haizim-pito.” (Is 9:1, 2) Nampiasa an’io andinin-teny io i Matio (4:13-17) ary nampihatra izany tamin’i Kristy Jesosy, ilay “fahazavan’izao tontolo izao”, sy tamin’ny fanompoany. (Jn 8:12) Voalaza fa ‘tanànan’i Jesosy’ i Kapernaomy, tao amin’ny faritanin’i Naftaly, satria nipetraka tao izy. (Mt 4:13; 9:1) Azo lazaina hoe anisan’ny fokon’i Naftaly àry izy. Noho izany, dia azo ampiharina amin’i Jesosy koa ilay faminanian’i Jakoba momba an’i Naftaly hoe: “Manao teny kanto izy.” (Ge 49:21) Nanao “teny kanto” tokoa ilay Zanak’Andriamanitra, satria na ireo mpiambina nirahina hisambotra azy aza nilaza hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.”—Jn 7:46.
-