-
FinoanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanana porofo mampiaiky koa ireo olona nanatona an’i Jesosy na nentina teo aminy mba hositranina. Efa nandre momba ny fahagagana nataon’i Jesosy izy ireo, fara faharatsiny, na dia tsy nahita maso izany aza. Izany zavatra hitany na reny izany no nahatonga azy ireo hino fa afaka nanasitrana azy ireo koa i Jesosy. Nahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo, ka efa fantany ny fahagagana nataon’ireo mpaminany fahiny. Izany no nilazan’ny olona sasany an’i Jesosy hoe “Ilay Mpaminany” na “Kristy”, rehefa nandre azy. Mety àry ny nilazan’i Jesosy tamin’ireo nositraniny hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao.” Raha tsy naneho finoana an’i Jesosy izy ireo, dia tsy ho nanatona azy ary tsy ho nositraniny.—Jn 7:40, 41; Mt 9:22; Lk 17:19.
Nanam-pinoana lehibe ilay manamboninahitra niangavy an’i Jesosy hanasitrana ny mpanompolahiny. Nifototra tamin’ny porofo koa ny finoany, ary izany porofo izany no nahatonga azy hiaiky fa ho sitrana ny mpanompony raha ‘niteny’ fotsiny i Jesosy. (Mt 8:5-10, 13) Tsara homarihina fa nositranin’i Jesosy daholo izay tonga teo aminy. Tsy nilaza izy hoe tsy maintsy nanam-pinoana izy ireo vao ho sitrana, na hoe tokony ho be na kely arakaraka ilay aretina ny finoany. Tsy niteny koa izy hoe tsy vitany ny nanasitrana an’izay tsy ampy finoana. Nanasitrana izy ho porofo mba hahatonga ny olona hino. Tsy nety nanao fahagagana maro tao amin’ny faritra niaviany izy satria maro no tsy nino azy sy tsy nety nihaino. Tsy hoe i Jesosy no tsy nahay nanao fahagagana, fa izy ireo no tsy mendrika ny hanaovana izany.—Mt 13:58.
-
-
Ora, IIFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Heviny hafa. Matetika no midika hoe “avy hatrany” na tao anatin’ny fotoana fohy ny hoe hôra, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Sitrana “tamin’izay ora izay”, ohatra, ny vehivavy iray nikasika ny mikiramborambo tamin’ny morontongotry ny akanjo ivelan’i Jesosy. (Mt 9:22) Fotoana manokana na fotoan-dehibe tsy voafaritra na fiandohan’io fotoana io koa ny hoe “ora”, toy ireto voalaza ireto: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany” (Mt 24:36), “Nanomboka nivavaka [izy] mba tsy hiatrika an’izany ora izany” (Mr 14:35), ary hoe “Efa tonga ny ora! Jereo fa hisy hamadika ny Zanak’olona ka hatolotra eo an-tanan’ny mpanota” (Mr 14:41).
-