FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voaomana mba hiaritra fanenjehana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Novambra
    • REHEFA avy nanome ho an’ireo apostoliny toromarika momba ny fomba fitoriana i Jesosy dia nampitandrina azy ireo tamin’ireo fahavalony. Hoy izy: “Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia (...) Ary mitandrema hianareo noho ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ny synagogany hianareo; ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko.”

  • Voaomana mba hiaritra fanenjehana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Novambra
    • Marina fa ho an’ireo apostoliny roa ambin’ny folo no nanomezan’i Jesosy ireo toromarika ireo, ireo fampitandremana ireo sy ireo fampaherezana ireo, kanefa ny teny nataony koa dia ho an’ireo izay handray anjara amin’ny asa fitoriana maneran-tany aorian’ny fahafatesany sy ny fananganana azy amin’ny maty. Izany dia miharihary amin’ny teniny rehefa nilaza izy fa ireo mpianany dia “ho halan’ny olona rehetra”, fa tsy ny Isiraelita ihany izay nahazoan’ny apostoly baiko fa tokony hitoriana. Afa-tsy izany koa, ireo apostoly dia toa tsy notarihina ho eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka tamin’ny andro niarahan’i Jesosy nandamina tamin’izy ireo io fiezahana hitory tao anatin’ny fotoana fohy io. Ankoatr’izany, tamin’izay fotoana izay ireo mpino dia tsy natolotry ny ankohonany ho amin’ny fahafatesana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara