FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fibebahana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Azo antoka fa fahotana an-tsitrapo no nataon’i Adama sy Eva satria olona lavorary izy ireo no nanota, ary nazava taminy ny didin’Andriamanitra sady azony tsara. Tsy azo alan-tsiny izy ireo, satria tsy vokatry ny fahalemen’olombelona na noho ny tsy fahalavorariana ny fahotany. Tsy nitaona azy ireo hibebaka àry Andriamanitra taorian’izay. (Ge 3:16-24) Toy izany koa no nataon’Andriamanitra tamin’ilay anjely nitarika azy mivady hanota. Fandringanana mandrakizay no hiafaran’izy io sy ireo anjely hafa nanaraka azy. (Ge 3:14, 15; Mt 25:41) Tsy lavorary kosa i Jodasy. Niaraka akaiky tamin’ilay Zanak’Andriamanitra izy nefa namadika azy. Nolazain’i Jesosy hoe “zanaky ny fandringanana” izy. (Jn 17:12) Lazaina koa hoe “zanaky ny fandringanana” “ilay lehilahy mpandika lalàna” sy mpivadi-pinoana. (2Te 2:3; jereo ANTIKRISTY; FIVADIHAM-PINOANA; LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.) “Ho any amin’ny fandringanana mandrakizay” ny olona rehetra voasokajy ho “osy” an’ohatra, amin’ny fotoana hitsaran’i Jesosy Mpanjaka ny olombelona. Tsy taomina hibebaka koa izy ireo.​—Mt 25:33, 41-46.

  • Sidona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Tamin’ny taonjato voalohany. Nanompo sampy ny Sidonianina, nefa tsy hoatran’ny an’ny Israely nivadika ny heloka vitany. Nilaza àry i Jesosy fa ho mora kokoa ny hanjo ny mponin’i Sidona amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo ireo Jiosy tany Korazina sy Betsaida izay nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia. (Mt 11:20-22; Lk 10:13, 14) Naneho finoana an’i Jesosy ny vehivavy fenisianina iray, tamin’izy tany amin’ny faritr’i Sidona. (Mt 15:21-28; Mr 7:24-31) Jiosy na olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy kosa ireo olona “maro be” nositranin’i Jesosy talohan’izay, ary nisy avy any amin’ny manodidina an’i Tyro sy Sidona izy ireo. (Mr 3:7, 8; Lk 6:17) Voafonja i Paoly tamin’izy nentina voalohany ho any Roma. Navela hitsidika an’ireo rahalahy tao Sidona anefa izy.​—As 27:1, 3.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara