-
Jesosy KristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy lavorary sy mpanota i Maria, satria taranak’i Adama. Nahoana anefa no lavorary sy tsy nisy ota i Jesosy, zanany “lahimatoa”? (Lk 2:7) Marina fa efa mahalala zavatra betsaka momba ny lalàn’ny fandovan-toetra sy ny fototarazo ny manam-pahaizana, kanefa tsy hain’izy ireo hoe inona no vokany rehefa misy aina lavorary afindra ao an-kibon’ny vehivavy tsy lavorary, toy izay nitranga tamin’i Jesosy. Tontosa ny fikasan’Andriamanitra noho ny fiasan’ny fanahiny masina. Nanaloka an’i Maria tokoa ny “herin’ny Avo Indrindra” araka ny efa nolazain’ny anjely Gabriela, ka masina ilay Zanak’Andriamanitra naterany. Toy ny manda nanodidina an’ilay zaza ny fanahy masina, ka voaro tamin’ny tsy fahalavorariana sy ny zava-dratsy hafa mety ho nanimba azy izy io.—Lk 1:35.
Ny fanahy masin’Andriamanitra no nahatonga an’i Jesosy hateraka ho olombelona. Ilay Rainy any an-danitra àry no tena nanome aina azy, fa ray nitaiza azy fotsiny i Josefa. (Mt 2:13-15; Lk 3:23) ‘Nanomana vatana ho azy’ i Jehovah Andriamanitra, araka ny Hebreo 10:5. Vao niforona tao an-kibo àry i Jesosy, dia efa ‘tsy nisy loto sy tafasaraka tamin’ny mpanota.’—He 7:26; ampit. Jn 8:46; 1Pe 2:21, 22.
Manana heviny an’ohatra àry ilay faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Isaia 52:14 hoe ‘nosimbana ny endriny.’ (Ampit. and. 7 amin’io toko io ihany.) Lavorary ny bika aman’endrik’i Jesosy Kristy, fa noho izy sahy nitory ny fahamarinana no nahatonga azy ho naharikoriko teo imason’ireo mpanohitra mpihatsaravelatsihy. Nilaza izy ireo fa mpanompon’i Belzeboba izy, nisy demonia, ary mpamitaka sy mpanevateva an’Andriamanitra. (Mt 12:24; 27:39-43; Jn 8:48; 15:17-25) Tsy mahagaga koa raha toy ny fofona avy amin’ny fahafatesana ny hafatra notorin’ny mpianatr’i Jesosy ho an’izay nanda an’ilay hafatra, fa toy ny ‘hanitra’ kosa izany ho an’ireo nihaino tsara.—2Ko 2:14-16.
-
-
MariaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nijanona telo volana teo ho eo tany amin’i Elizabeta, tany amin’ireo havoanan’i Jodia, i Maria, ary avy eo nody tany Nazareta. (Lk 1:56) Nanjary fantatr’i Josefa fa bevohoka i Maria (azo inoana fa i Maria no nampahafantatra izany), ka nikasa hisaraka taminy mangingina izy, satria tsy te hanala baraka azy ampahibemaso. (Noheverina ho efa mpivady ny mpifamofo tamin’izany, ka tsy maintsy nisara-panambadiana mba ho foana ilay fifamofoana.) Nisy anjelin’i Jehovah anefa niseho tamin’i Josefa ka nilaza taminy fa avy tamin’ny fanahy masina ilay zaza. Nankatò an’Andriamanitra i Josefa taorian’izay, ka naka an’i Maria ho vadiny. “Tsy nanao firaisana taminy anefa i Josefa mandra-piterany zazalahy. Ary nataony hoe Jesosy ny anarany.”—Mt 1:18-25.
-