FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Petera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • I Petera no niteny imbetsaka indrindra. Izy koa no nahitsy sy nanarina ary nobedesina matetika indrindra. Rehefa niteny i Jesosy fa hijaly sy ho faty izy satria Mesia, dia nentin’i Petera nihataka kely izy ka noteneniny mafy. Marina fa nangoraka an’i Jesosy izy, nefa tsy nety izany nataony izany. Hevitr’olombelona mantsy no tiany harahina, fa tsy ny hevitr’Andriamanitra izay efa nolazain’ny faminaniana. Nihodina i Jesosy ka niantso azy hoe mpanohitra, na Satana. (Mt 16:21-23) Tsara homarihina fa nijery an’ireo mpianany hafa i Jesosy tamin’izay. Mety hidika izany fa fantany hoe ny hevitr’ireo mpianatra hafa no nolazain’i Petera. (Mr 8:32, 33) Nisy nanontany i Petera, indray andro, raha nandoa hetra i Jesosy. Tsy nanontany an’i Jesosy akory izy fa tonga dia namaly. Nampian’i Jesosy moramora àry izy mba hahatsapa fa ilaina ny mieritreritra tsara kokoa alohan’ny hitenenana. (Mt 17:24-27) Hita hoe natoky tena loatra i Petera sady somary nanambony tena, rehefa nilaza fa na hahafoy an’i Jesosy daholo aza ireo apostoly hafa, izy kosa tsy mba hanao toy izany. Nilaza izy fa vonona hiaraka amin’i Jesosy hatrany am-ponja ary hiara-maty aminy mihitsy aza. Niteny toy izany koa ny hafa rehetra, saingy i Petera no niteny voalohany sady “nanizingizina” mihitsy. Namaly anefa i Jesosy fa handa ny Tompony intelo i Petera.​—Mt 26:31-35; Mr 14:30, 31; Lk 22:33, 34.

  • Satana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nitady tetika foana i Satana mba handrisihana an’i Jesosy hieritreritra zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah. Fantatr’i Jesosy anefa izany ka mailo foana izy. Nilaza, ohatra, izy indray mandeha fa hampijaliana ary hovonoina ho faty. “Koa nentin’i Petera hihataka kely izy ary noteneniny mafy hoe: ‘Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.’” Niahy azy i Petera, nefa naka fanahy azy, raha ny marina. ‘Nihodina àry izy ka niteny tamin’i Petera hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina eo anoloako ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”’​—Mt 16:21-23.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara