FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ilay Fiovan-tarehy Nahitana An’i Kristy Nomem-boninahitra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
    • Nisy zavatra nanaitra nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny, tamin’izy nampianatra tany amin’ny faritr’i Kaisaria-Filipo, izay 25 kilaometatra teo ho eo niala ny Tendrombohitra Hermona. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa misy amin’izay mijoro eto tsy handia fahafatesana mihitsy, mandra-pahitany ny Zanak’olona ho tonga ao amin’ny fanjakany.”—Matio 16:28.

      Azo antoka fa lasa saina ny mpianatra hoe inona no dikan’izany. Nentin’i Jesosy niakatra tany an-tendrombohitra avo i Petera sy Jakoba ary Jaona, herinandro teo ho eo taorian’izay. Alina angamba tamin’izay satria rendremana izy telo lahy. Nisy fiovana nitranga tamin’i Jesosy raha mbola nivavaka teo anatrehan’izy ireo izy. Hitan’ireo apostoly ireo fa lasa namirapiratra toy ny masoandro ny tarehiny ary lasa fotsy nanjelanjelatra ny akanjony.

  • Ilay Fiovan-tarehy Nahitana An’i Kristy Nomem-boninahitra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
    • Tena nampahery an’i Jesosy sy ny apostoly iny fahitana iny. Hita tamin’iny ny ho voninahitry ny Fanjakan’i Kristy. Nahita ‘ny Zanak’olona tonga tao amin’ny fanjakany’ ireo apostoly tamin’izay, araka ny nampanantenain’i Jesosy. (Matio 16:28) “Nahita maso ny fahamboniany” izy ireo tany an-tendrombohitra. Nitady famantarana ireo Fariseo mba hanamarinana fa i Jesosy tokoa no nofidin’Andriamanitra ho Mpanjaka. Tsy nomen’i Jesosy famantarana anefa izy ireo. Ny mpianany akaiky azy kosa no navela hahita an’ilay fiovan-tarehy, izay nanaporofo fa ho tanteraka ireo faminaniana momba an’ilay Fanjakana. Afaka nilaza àry i Petera tatỳ aoriana hoe: “Manana ny teny faminaniana isika, ary natao azo antoka kokoa izy io.”—2 Petera 1:16-19.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara