-
TabaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ahatazanana tsara eny an-tampon’i Tabara, ka mety tsara ho an’ny tanàna voaro mafy. Porofoin’ireo sisan-javatra rava teo amin’io toerana io fa nisy tanàna voaro mafy tokoa teo, talohan’ny taonjato voalohany sy taorian’izay. Lasa tsy mitombina àry ilay lovantsofina hoe teny an-tampon’i Tabara no nitranga ilay fiovan-tarehin’i Jesosy. Tsy toerana nisy tanàna mantsy no resahin’ilay fitantarana. Voalaza fa nentin’i Jesosy “nitokana” irery teny an-tendrombohitra ny mpianany telo. Azo inoana kokoa hoe ny Tendrombohitra Hermona ilay ‘tendrombohitra avo’ resahin’ilay fitantarana, satria io no any akaikin’i Kaisaria-Filipo izay misy ny loharanon’i Jordana, ary tany i Jesosy taloha kelin’ny niovany tarehy.—Mt 17:1, 2; Mr 8:27; 9:2.
-
-
Fiovan-tarehyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Zava-mahagaga natrehin’i Petera sy Jakoba ary Jaona. ‘Namirapiratra toy ny masoandro ny tavan’i’ Jesosy tamin’izay, “ary nanjary nanjelanjelatra toy ny hazavana ny akanjony ivelany.” (Mt 17:1-9; Mr 9:2-10; Lk 9:28-36) Nitantara i Marka fa “tena fotsy be” ny akanjo ivelan’i Jesosy, “ary tsy misy mpanadio lamba mahafotsy lamba toy izany eto an-tany.” Nilaza koa i Lioka fa “niova ny fahitana ny tarehin’i Jesosy.” Teo amin’ny tendrombohitra iray no nitranga ilay fiovan-tarehy, taoriana kelin’ny Paska taona 32, herintaona teo ho teo talohan’ny diany farany nankany Jerosalema.
Tany Kaisaria-Filipo na Banyas ankehitriny i Jesosy sy ny mpianany, taloha kelin’ilay fiovan-tarehy. (Mr 8:27) Azo inoana àry fa tsy lavitra teo ilay ‘tendrombohitra avo’ nalehan’i Kristy sy ny apostoly. (Mr 9:2) Nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra tany ho any no nisy nihevitra fa ny Tendrombohitra Tabara izy io. Sarotra inoana anefa izany, satria 70 km eo ho eo atsimo atsimoandrefan’i Kaisaria-Filipo no misy azy io.—Jereo TABARA No. 1.
Ny Tendrombohitra Hermona kosa eo amin’ny 25 km eo ho eo monja avaratratsinanan’i Kaisaria-Filipo. ‘Tendrombohitra avo’ izy io satria mirefy 2814 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina. (Mt 17:1) Mety ho teo an-tendrombohitra Hermona àry no nitranga ilay fiovan-tarehy. Izany koa no hevitry ny manam-pahaizana maro ankehitriny, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza hoe taiza marina ilay izy no nitranga.
-
-
Fiovan-tarehyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanontanian’i Kristy ny mpianany rehetra talohan’ny niakarany tany amin’ilay tendrombohitra hoe: “Lazain’ny olona ho iza moa aho?” Namaly i Petera hoe: “Ianao no Kristy.” Nilaza i Jesosy avy eo fa hovonoina ny tenany ary hatsangana amin’ny maty. (Mr 8:27-31) Nampanantena koa anefa izy fa hisy amin’izy ireo “tsy handia fahafatesana mihitsy, mandra-pahitany ny Zanak’olona ho tonga ao amin’ny fanjakany” na “ny fanjakan’Andriamanitra efa tonga amin-kery.” (Mt 16:28; Mr 9:1) Tanteraka izany “enina andro taorian’izay” (na “valo” araka ny tenin’i Lioka, satria nisainy koa angamba ny andro nilazana an’ilay fampanantenana sy ny andro nahatanterahan’ilay izy). Niaraka tamin’i Jesosy nankany “an-tendrombohitra avo” i Petera sy Jakoba ary Jaona tamin’izay. (Mt 17:1; Mr 9:2; Lk 9:28) Niova tarehy teo anatrehan’izy ireo i Jesosy raha mbola nivavaka.
-