FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nalana sarona tamin’ny alalan’ireo fanoharana ny amin’ny tanimboaloboka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Aprily
    • “Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy, hoy i Jesosy, dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanimboaloboko anio. Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?”, hoy ny fanontanian’i Jesosy.

  • Nalana sarona tamin’ny alalan’ireo fanoharana ny amin’ny tanimboaloboka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Aprily
    • Koa dia nanazava toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Raha ny marina, teo am-boalohany, ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga dia nanda ny hanompo an’Andriamanitra. Kanefa, tatỳ aoriana, tahaka ilay lahimatoa, dia nanenina izy ireo ary nanompo an’Andriamanitra ihany. Tetsy an-daniny, ireo mpitondra fivavahana, toy ilay faralahy, dia nihambo ho nanompo an’Andriamanitra, kanefa nanamarika toy izao i Jesosy: “Fa Jaona [Mpanao batisa] nankany aminareo tamin’ny làlan’ny fahamarinana, nefa tsy nino azy hianareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa hianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara