-
Fandevenana, Toeram-pandevenanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsotsotra ny fasan’ny Jiosy fahiny, tsy hoatran’ny fasan’ny mpanompo sampy be sary hoso-doko sy haingonkaingony. Nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasan’i Rahely i Jakoba. (Ge 35:20) Tsy tsangambato fahatsiarovana anefa ilay izy, fa mety ho vato fampahafantarana fotsiny. (1Sa 10:2) Mety ho toy izany koa ilay “tsangambatom-pasana” resahin’ny 2 Mpanjaka 23:17. Nisy fasana ‘tsy niharihary’, hoy i Jesosy, ‘ka nitsahin’ny olona nefa tsy fantany akory.’ (Lk 11:44) Naloto anefa izay nikasika faty. Nolalorina fotsy àry ny toeram-pandevenana, mba ho hitan’ny mpandalo. (Mt 23:27) Natao indray mandeha isan-taona talohan’ny Paska, hono, izany.—Ny Mishnah, Shekalim 1:1.
-
-
Madio, FahadiovanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Raha nisy maty tao an-trano na tao an-tranolay, dia naloto izay olona rehetra tao sy ilay trano na tranolay ary ny fitaovana rehetra nisokatra tao. Naloto koa izay nikasika taolam-paty teny amin’ny toerana nisy ady, na izay nikasika fasana. Fanao tamin’ny andron’i Jesosy àry ny nandalotra fasana ho fotsy, iray volana talohan’ny Paska mba tsy hanitsaka fasana tsy nahy ny olona, ka tsy ho afaka hihinana ny sakafon’ny Paska. (No 19:14-19; Mt 23:27; Lk 11:44) Raha sendra nisy olona maty teo anatrehan’ny Nazirita, na teo anilany, nefa mbola voafehin’ny voady naha Nazirita azy izy, dia tsy hisaina ireo andro teo aloha nanefany ny voadiny, ary tokony hitondra fanatitra izy mba hatao sorona.—No 6:8-12; jereo NAZIRITA; SAMSONA.
-
-
LokoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Volomparasy sy volomparasy somary mena: Matetika resahin’ny Baiboly, na dia tsy avahany aza ireo karazana loko volomparasy mety ho azo avy amin’ny loko na fomba fandokoana samy hafa. (Ek 25:4; No 4:13; Ezk 27:7, 16; Da 5:7, 29; Mr 15:17, 20; Lk 16:19; Ap 17:4) Lafo be ny loko volomparasy, ka izy io matetika no lokon’akanjon’ny mpanjaka sy ny mpanankarena ary ny olo-nanan-kaja, na namantarana azy ireo.
-
-
FasanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Toy ny lavaka tian’ny olona hialana ny fasana. Nilaza anefa i Joba fa te ho faty ireo olona mijaly sy mamoy fo, izay tsy manana fanantenana sady tsy mahalala ny fikasan’ny Mpamorona, ka “dibo-kafaliana fa mahita fasana.” (Jb 3:21, 22) Ireo olona manokan-tena hanompo ny Mpamorona kosa matoky sy manantena fa hatsangana ny maty.—Sl 16:9-11; As 24:15; Fi 1:21-26; 2Ti 4:6-8; He 11:17-19; jereo FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA.
-