FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Horohoron-tany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Naminany i Jesosy fa anisan’ireo zavatra hiseho hamantarana ny fanatrehany ny horohoron-tany maro be sy mafy. (Mt 24:3, 7, 8; Lk 21:11) Nihabetsaka tokoa ny horohoron-tany, nanomboka tamin’ny 1914, ka nahatonga fijaliana be. Tamin’ny 1984, dia natao lisitra ireo horohoron-tany nahatratra 7,5 na mihoatra amin’ny maridrefy Richter, na niteraka fahasimbana nahatratra dimy tapitrisa dolara na mihoatra, na nahafaty olona 100 na mihoatra. Fanazavana nomen’ny foibem-pirenena momba ny nofon-tany, any Boulder, any Colorado, ary nalainy tao amin’ny boky misy loharanon-kevitra azo antoka, no fototra nanaovana an’ilay lisitra. Hita àry fa nisy 856 ny horohoron-tany toy izany nandritra ny 2 000 taona talohan’ny 1914, fa 605 kosa tao anatin’ny 69 taona monja taorian’ny 1914. Porofo izany fa nijaly be vokatry ny horohoron-tany ny olona nandritra io fe-potoana faharoa io.

  • Mosary
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Naminany i Jesosy tatỳ aoriana fa anisan’ny famantarana ny fifaranan’ny “rafitr’ity tontolo ity” ny mosary. (Mt 24:3, 7; ampit. Ap 6:5, 6.) Nisy mosary lehibe tokoa tamin’ny andron’i Klaodio Mpanjaka (41-54 A.K.), araka ny tenin’i Agabo mpaminany kristianina. (As 11:28) Tratran’ny mosary mafy koa i Ejipta izay nisy Jiosy maro, tamin’ny taona 42. “Mafy ny fahoriana” tany Jodia sy Jerosalema noho ny fahirano nataon’ny Jeneraly Titus sy ny tafika romanina, izay nandrava an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. (Lk 21:23) Mafy be ny mosary tao tamin’izay, hoy i Josèphe, ka nihinana hodi-biby, ahitra, mololo ny olona, ary nisy mihitsy aza vehivavy nanatsatsika sy nihinana ny zanany lahy. (Ny Adin’ny Jiosy, VI, 193-213 [iii, 3, 4]) Tsy mialoha ny handravana an’i Jerosalema ihany anefa no nolazain’i Jesosy hoe hisy mosary, fa rehefa lasa mpanjaka ny Zanak’olona ka hiverina amim-boninahitra.​—Lk 21:11, 27, 31; ampit. Ap 6:5, 6.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara