FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitory ny Vaovao Tsara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Fitoriana ny vaovao tsara amin’ny “fotoanan’ny farany.” Ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny “fotoanan’ny farany” no lehibe indrindra hatramin’izay, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity ... vao ho tonga ny farany.” (Mt 24:14) Mitsabaka amin’ny politika sy ny toe-karena, ary ny fitsaboana sy ny toy izany ny misionera eto amin’ity tontolo ity. Ny Kristianina anefa nodidiana hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanampy ny olona ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy. (2Ti 4:2; 1Ko 9:16; 1Pe 1:12, 25; 4:17) Hoy ilay anjely nanidina teny afovoan’ny lanitra ka nitory ny vaovao tsara mandrakizay: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Ap 14:6, 7) Izany no tokony hotorin’ny Kristianina mpitory ny vaovao tsara na misionera. Lazain’ny Baiboly fa misionera, na mpitory ny vaovao tsara manokana ny olona sasany, toa an’i Filipo. Misy Kristianina misionera amin’ny fomba manokana toy izany koa ankehitriny, ka mitory any an-tany hafa. (As 21:8) Ny Kristianina rehetra mihitsy anefa, na aiza izy na aiza, no nirahina sy nodidiana hitory ny vaovao tsara amin’ny karazan’olona rehetra.​—Ro 10:9, 10.

  • Mpitondra Hafatra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Keryssô no matoanteny grika nadika hoe “mitory.” Miverina imbetsaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina io matoanteny io, ary azo adika koa hoe “mitondra hafatra.” Toy ny mpitondra hafatra ny mpitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Mt 24:14; Mr 13:10; ampit. Lk 8:39; Ap 5:2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara