FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Lazao Aminay hoe Rahoviana no Hitranga Izany”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Jolay
    • 16. Aiza koa ny andinin-teny miresaka momba ny fahatongavan’i Jesosy?

      16 Hoy i Jesosy momba ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina: “Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany!” Hoy koa i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny: “Raha mbola lasa nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra.” Izao koa no nolazainy tao amin’ilay fanoharana momba ny talenta: “Ela be tatỳ aoriana, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo.” Hoy ihany izy tao amin’io fanoharana io: ‘Ho noraisiko niaraka tamin’ny zanabola ny farantsa volafotsiko rehefa tonga aho.’ (Mat. 24:46; 25:10, 19, 27) Samy miresaka momba ny fahatongavan’i Jesosy ireo andinin-teny ireo. Rahoviana izany no hitranga?

      17. Inona no ninoantsika taloha momba ny fahatongavan’i Jesosy resahin’ny Matio 24:46?

      17 Nolazaina tao amin’ny gazetintsika taloha fa samy miresaka ny fiaviana na fahatongavan’i Jesosy tamin’ny 1918 ireo andinin-teny efatra ireo. Diniho, ohatra, ny zavatra nolazain’i Jesosy momba ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Vakio ny Matio 24:45-47.) Nilaza isika taloha fa tonga mba handinika ny tsy fivadihan’ny voahosotra i Jesosy tamin’ny 1918, ary mifandray amin’izany ilay hoe i Jesosy “tonga” eo amin’ny andininy faha-46. Nihevitra koa isika hoe tamin’ny 1919 ilay mpanompo no notendren’ny Tompony hiandraikitra ny fananany rehetra. (Mal. 3:1) Hita anefa fa mila ahitsy ny fahazoantsika ny fotoana hahatanterahan’ny zavatra sasany nolazain’i Jesosy, rehefa nandinika indray an’ilay faminaniany isika. Hojerentsika hoe nahoana.

      18. Inona no ianarantsika rehefa mandinika an’ilay faminanian’i Jesosy manontolo isika?

      18 Samy miresaka momba an’i Jesosy ho “tonga” na “ho avy” ny andinin-teny eo alohan’ny Matio 24:46. Ilay fotoana hahatongavan’i Jesosy mba hanambara sy hampihatra didim-pitsarana mandritra ny fahoriana lehibe no tiana holazaina amin’izany. (Mat. 24:30, 42, 44) Io fotoam-pitsarana amin’ny hoavy io ihany no tiana holazaina amin’ilay fahatongavan’i Jesosy resahin’ny Matio 25:31, araka ny hitantsika teo amin’ny fehintsoratra faha-12. Araka izany dia mbola amin’ny hoavy, mandritra ny fahoriana lehibe koa, i Jesosy no hanendry ny mpanompo mendri-pitokisana mba hiandraikitra ny fananany rehetra, araka ny lazain’ny Matio 24:46, 47.f Rahoviana àry no ho tanteraka ilay fiavian’i Jesosy resahin’ireo andinin-teny valo nodinihintsika? Raha jerena ilay faminanian’i Jesosy manontolo, dia amin’ny fotoam-pitsarana mandritra ny fahoriana lehibe ho avy.

  • “Lazao Aminay hoe Rahoviana no Hitranga Izany”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Jolay
    • e Fehintsoratra 15: Samy avy amin’ilay matoanteny grika hoe erkômai ilay teny hoe “tonga” sy ilay hoe “ho avy.”

      f Fehintsoratra 18: Mitovy amin’ilay matoanteny grika nadika hoe “ho avy” na “hiavian’ny” ao amin’ny Matio 24:30, 42, 44 ilay teny grika nadika hoe “tonga” ao amin’ny Matio 24:46.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara