-
Fadiranovana mafy tao amin’ny zaridainaNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Janoary
-
-
Namela ny valo tamin’ireo apostoly — angamba teo amin’ny fidiran’ilay zaridaina — izy ary nananatra azy ireo toy izao: “Mipetraha eto aloha hianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.” Avy eo dia nitondra ireo telo ambiny — Petera sy Jakoba ary Jaona — izy, ary niditra tao amin’ilay zaridaina. Nanjary nalahelo am-po sy ory indrindra i Jesosy. “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty”, hoy izy tamin’izy ireo. “Mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.”
-
-
Fadiranovana mafy tao amin’ny zaridainaNy Tilikambo Fiambenana—1991 | 1 Janoary
-
-
Tsy izany velively! Tsy nitalaho mba hanesorana ny fahafatesana taminy akory i Jesosy. Na dia ny fieritreretana ny handositra ny fahafatesana ho sorona, nanoroan’i Petera hevitra azy indray mandeha, aza dia naharikoriko azy. Ny naha-fadirovana mafy azy kosa dia noho ny tahotra sao hanome tsiny ny anaran-dRainy ny fomba hahafatesany tsy ho ela — toy ny mpanao heloka bevava tsinontsinona. Tsapany izao fa rehefa afaka ora vitsivitsy dia hohomboana eo amin’ny hazo toy ny karazan’olona ratsy indrindra izy — mpiteny ratsy an’Andriamanitra! Izany no tena naha-ory azy indrindra.
-