FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Anarana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nisolo tena olona iray ny olon-kafa niteny na nanao zavatra ‘tamin’ny anarany.’ (Ek 5:23; De 10:8; 18:5, 7, 19-22; 1Sa 17:45; Es 3:12; 8:8, 10) Midika hoe manaiky ny marina momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.”​—Mt 28:19.

  • Pentekosta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Noresahin’i Jesosy tamin’ny mpianany ilay fifanekena vaovao, ny takariva nanaovany ny Paska farany. Nilazany koa izy ireo tamin’izy efa hiakatra any an-danitra, mba hiandry tany Jerosalema an’ilay fanahy masina nampanantenaina. Hoy ny apostoly Petera: “Koa satria nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra izy, ary nandray avy tamin’ny Ray ny fanahy masina nampanantenaina, dia izy no nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao.” (Lk 22:20; As 2:33) Niasan’ny fanahin’Andriamanitra ireo mpianatra 120 teo ho eo, ka afaka nitory tamin’ny fiteny samihafa momba ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra.” Nahazo an’izay notorina ireo Jiosy sy olona maro niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, na taiza na taiza firenena niaviany nanerana ny Fanjakana Romanina. (As 2:7-11) Sambany i Petera tamin’izay no nitory momba ny batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina, araka ny baikon’i Jesosy. (Mt 28:19; As 2:21, 36, 38, 39) Efa niakatra tany an-danitra i Jesosy sady nanolotra ny vidim-panavotana, ka afaka nampiditra an’ireo mpianany tao amin’ilay fifanekena vaovao.​—He 9:15-26.

  • Fanahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Atao batisa amin’ny ‘anarany.’ Resahin’ny Matio 28:19 fa tokony hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” ny olona. Tsy voatery ho anaran’olona foana ilay hoe “amin’ny anaran’ny.” Fiteny ihany, ohatra, ny hoe manao zavatra “amin’ny anaran’ny fanjakana”, nefa tsy hoe olona ny fanjakana. Ny fahefan’ny fanjakana kosa no tiana holazaina amin’izany. Mety hanana heviny hoe fahefana koa ny teny grika hoe ônôma nadika hoe “anarana.” Nohazavain’ny manam-pahaizana iray momba ny teny grika toy izao ny Matio 28:19: “Ilazana fahefana eo ny hoe anarana (ônôma), toy ny fahita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ao amin’ireo taratasy papyrus.” (Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, nataon’i Robertson, 1930, Boky I, p. 245) Eken’ireo atao batisa “amin’ny anaran’ny fanahy masina” àry fa hery avy amin’Andriamanitra izy io, ary ampiasainy mifanaraka amin’ny sitrapony.

  • Mpampianatra, Fampianarana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Manao mpianatra sy mampianatra. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: ‘Ataovy mpianatra ny olona, ka ataovy batisa ary ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’ (Mt 28:19, 20) Natomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 io asa fampianarana io ary mbola hitatra maneran-tany. Telo arivo teo ho eo ireo natao batisa tamin’io andro io rehefa nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia nampanantenaina. Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy ireo. Lasa mpanara-dia an’i Kristy Jesosy ireo mpianatra vaovao ireo, rehefa nandre ny lahatenin’ny apostoly Petera. Tsy nifarana hatreo anefa ny fampianarana azy ireo. Mbola maro no tokony hianarany. Nijanona ela kokoa tao Jerosalema mba hihaino ny fampianaran’ny apostoly àry ireo avy lavitra izay tonga nanatrika ny fetin’ny Pentekosta. Nivory isan’andro tao amin’ny tempoly izy ireo mba hihaino ny apostoly. Nihamaro ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy nandre ny vaovao tsara, ka niampy 5000 teo ho eo ireo lasa mpino. (As 2:14–4:4) Nampianatra ampahibemaso tao amin’ny tempoly ny apostoly, sady nitory isan-trano ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy.​—As 5:42; jereo FITORIANA, MPITORY (“Isan-trano”).

      Niely tany an-tany lavitra koa ny asa fanaovana mpianatra tatỳ aoriana, rehefa niparitaka noho ny fanenjehana ireo mpino, ary nanomboka nitoriana ireo hafa firenena. (As 8:4-12; 11:1-26) Matetika no natao mba hahitana an’ireo olona liana ny fitoriana sy fampianarana ampahibemaso, toy ny tany Jerosalema ihany. Mbola nampianarina izy ireny rehefa lasa mpianatra. Nampianatra ampahibemaso tao amin’ny synagoga, ohatra, ny apostoly Paoly, tany Efesosy. Tsy nino anefa ny Jiosy sasany ary nanohitra azy. Niala teo amin’izy ireo àry i Paoly ary nentiny ny mpianatra, ka nandaha-teny ho azy ireo tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano izy. (As 19:8-10) Nampianatra tany an-tranon’ny mpianatra koa i Paoly, ary nampianatra isan-trano izy mba hitadiavana olona liana hafa. Nampahatsiahiviny ireo anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy hoe: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.”​—As 20:20, 21; ampitahao amin’ny As 18:6, 7 izay mitantara ny nataon’i Paoly tany Korinto; jereo MPIANATRA.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara