-
Nitsidika An’i Jesosy Ireo MpanandroI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Nisy lehilahy mpanandro tonga avy any atsinanana. Mandinika ny toeran’ny kintana ny mpanandro, satria mihevitra fa manampy azy izany mba hamantatra ny dikan’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona. (Isaia 47:13) Nahita “kintana” iray izy ireo tany aminy, ka nanao dia an-jatony kilaometatra nanaraka azy io. Tsy nitondra azy ireo tany Betlehema ilay kintana fa tany Jerosalema.
Hoy ireo mpanandro rehefa tonga tany: “Aiza ilay nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy? Fa hitanay ny kintany fony izahay tany atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany izahay.”—Matio 2:1, 2.
-
-
Nitsidika An’i Jesosy Ireo MpanandroI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Araka ny hevitrao, avy amin’iza ilay “kintana”? Tadidio fa tsy tonga dia nitarika an’ireo mpanandro tany amin’i Jesosy tany Betlehema izy io. Nitarika azy ireo tany Jerosalema kosa ilay izy, ka nahatonga azy ireo hihaona tamin’i Heroda Mpanjaka, izay te hamono an’i Jesosy. Ho vitan’i Heroda izany raha tsy nosakanan’Andriamanitra ireo mpanandro mba tsy hiteny aminy hoe aiza i Jesosy. I Satana fahavalon’Andriamanitra àry no nampiasa an’ilay kintana, satria te hamono an’i Jesosy izy.
-