-
Ireo Vavaka Azo Antoka fa Hahazo ValinyNy Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Janoary
-
-
MISY vavaka tsy maintsy hahazo valiny. Voarakitra ao amin’ny maodely iray nomen’i Jesosy ny mpianany ny fotopotony, rehefa niteny izy hoe: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinana anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9-13.
-
-
Ireo Vavaka Azo Antoka fa Hahazo ValinyNy Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Janoary
-
-
“Ho tonga anie ny fanjakanao”
Nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy koa i Jesosy mba hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”. Tsy isalasalana fa hahazo valiny ny vavaka atao mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ilay Fanjakana dia ny fanapahan’ny fiandrianan’i Jehovah, aseho amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana mesianika any an-danitra eo am-pelatanan’ny Zanany, Jesosy Kristy, sy ireo “olo-masina” miaraka aminy. (Daniela 7:13, 14, 18, 22, 27; Isaia 9:5, 6 [6, 7, MN]). Efa nanaporofo hatry ny ela tao amin’ny Soratra masina ny Vavolombelon’i Jehovah, fa nomena fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra i Jesosy tamin’ny taona 1914. Nahoana àry no tokony hivavaka ny rehetra mba ho “tonga” ilay Fanjakana?
Raha ny marina, ny fivavahana mba hahatongavan’ilay Fanjakana, dia milaza fangatahana mba hahatongavany hamely ireo mpanohitra ny fanapahan’Andriamanitra rehetra eto an-tany. Tsy ho ela izao “ireo fanjakana rehetra [eto an-tany] ireo dia hotorotoroiny [ny fanjakan’Andriamanitra] sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Izany fitrangan-javatra izany dia handray anjara amin’ny fanamasinana ny anarana masin’i Jehovah.
“Hatao anie ny sitraponao”
Mbola nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao koa i Jesosy: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Izany dia fangatahana mba hanaovan’i Jehovah zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony ny amin’ny tany. Mitovy amin’ity fanambaran’ny mpanao salamo ity izany: “Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, na any amin’ny lanitra, na etỳ ambonin’ny tany, na any amin’ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. Mampiakatra zavona avy amin’ny faran’ny tany Izy; manao helatra arahin-dranonorana Izy; mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy, dia Ilay namely ny voalohan-terak’i Egypta, na olona, na biby. Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, eny, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra, dia Ilay namely ny jentilisa maro ka nahafaty mpanjaka mahery.” — Salamo 135:6-10.
Ny fivavahana mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah etỳ an-tany, dia fangatahana mba hanatanterahany ny fikasany momba ity bolantany ity. Izany dia mahafaoka ny fanesorana maharitra ireo mpanohitra azy, toy ny efa nanesorany azy ireo tamin’ny ambaratonga kely tamin’ny andro fahiny. (Salamo 83:9-18; Apokalypsy 19:19-21). Azo antoka fa hahazo valiny ny vavaka mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah manerana ny tany sy izao rehetra izao.
-